Fikambanana Ambanivolo Miakatra : Manohana ireo mpianatry ny oniversite avy any Andapa

  • lundi, 22 février 2021 06:58
  • Sary nomena

Nanolotra fitaovana informatika ho an’ny mpianatry ny oniversite avy any Andapa ny Fikambanana Ambanivolo Miakatra (AM.MI), tarihin’ny filoham-boninahitra Rakotomamonjy Jean Rodriguez.

Notanterahina nandritra ny fivoriamben’ny FIZANA izay Fikambanan’ny Zanak’Andapa Monina eto Antananarivo, tarihin’i Fidiarison Kenny Marco Louis, ary natrehan’ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrika Andapa ny fanolorana ireo fitaovana informatika, nahitana ordinatera, “imprimante” ary koa “bibliothèque virtuelle”.

Natao indrindra hanampiana ireo mpianatra hanamorana ny fanomanan’izy ireo ny “mémoire” amin’ny famaranana ny fianarana ataon’izy ireo izao fampitaovana izao, hoy ny filoham-boninahitra ny AM.MI.

Fiaraha-miasan’ity fikambanana ity tamin’ny Befiana Platforms Corps kosa no nametrahana ny “bibliothèque virtuelle”.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.