Kere any Atsimo : Hanampy ireo Mponina misedra olana ny Vondrona Bohra

  • vendredi, 15 janvier 2021 20:22
  • Sary nindramina

Nihaona tamin’ny Minisitry ny mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Michelle Bavy Angelica tetsy amin'ny birao fiasan'ity farany etsy Ambohijatovo ny delegasiona Karana ao amin’ny Vondrona Bohra, androany.

Voaresaka tao ny fomba ahafahan’ny roa tonta miara-miasa akaiky mba hitondra tombontsoa ho an’ny mponina eto Madagasikara.

Hanao tolo-tanana ho an’ireo Mponina misedra ny kere any Atsimo izy ireo. Eto Antananarivo indray dia hanamboatra toeram-pidiovana amin’ny faritra Besarety, Isotry, Tsaralalana ; hanorina fanasan-damba ireto karana ireto ary koa hametraka jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro amin’ireo faritra mbola maizina.

Hanolotra sakafo masaka ho an’ireo zokiolona ny Vondrona Bohra, ny sabotsy 16 janoary ka an’arivony no kendreny hisitraka izany.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.