Hetsika “Sangany sy Voafehiko” : Hotolorana mari-pankasitrahana ireo Mpianatra sy Mpampianatra mendrika indrindra manerana ny Faritra 22

  • vendredi, 15 janvier 2021 08:49

Hotoloran’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena mari-pankasitrahana ireo Mpianatra sy Mpampianatra mendrika indrindra manerana ny Faritra 22 nandritra ny fanadinam-panjakana (CEPE, BEPC, BAC) taona 2020.

Hatao eto Antananarivo anio 15 janoary 2020 ny lanonana mahakasika izany ao anatin’ny hetsika “Sangany sy Voafehiko”.

Natao hanomezana lanja ny ezaka vitan’ny tsirairay, fampirisihana sy fanomezana risi-po azy ireo ity hetsika ity mba hanoy hatrany ny ezaka rehetra natao hatramin’izay, mba hahazoana vokatra tsara, fa indrindra hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fanabeazana.

Haharitra telo andro ny fandraisan’ny ministera an-tanana an’ireo mpianatra miisa 88 sy mpampianatra miisa 41, ka tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo ny fiatrehana hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto, ny fitsidihana orinasa, ny oniversite Ankatso, ny Hôtel de Ville Analakely, Rova sy ny valan-javaboary ao Tsimbazaza ary ny fijerena sary mihetsika ao amin’ny Plaza Ampefiloha.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.