Andian'olona maro tonga ao Fianarantsoa : Nandray andraikitra avy hatrany ny fitondram-panjakana

  • vendredi, 15 janvier 2021 08:44
  • Sary nindramina

Mpifindra monina noho ny kere sa nisy nampanantena asa ? Andian'olona maro avy any atsimo no tonga manao andiany ao Fianarantsoa ny fiandohan'ny herinandro ity.

Nidina tao amin'ny Toby fiantsonana Ankazondrano-Fianarantsoa nihaona tamin'ireo olona izay nanana olana teo amin’ny fifandraisana sy ny fitaterana avy any amin'ny Faritra atsimon'ny Nosy hihazo ny Faritra avaratry ny Nosy, ny Minisitry ny Mponina sy ny Goverinoran'ny Faritra Mahatsiatra Ambony, ny Prefet-n'i Fianarantsoa niaraka tamin'ireo Talem-paritra, hamahana ny olan'ireo.

Nisy ny vahaolana naroso avy hatrany ka anisan'izany ny trano hitobian'izy ireo vonjimaika izay eny amin'ny CERES Ambalakely, ka samy nizarana lamba firakotra tsirairay avy, miaraka amin'izay ny fiantohana azy ireo mandritra ny fotoana ijanonan'izy ireo eny an-toerana.

Hisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana sy ny fitsaboana ary ny fizarana fanafody maimaimpoana ho an'ireo izay mila izany.

(Jereo Sary Tohiy)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.