Ala atsinanana: Mirongatra ny fitrandrahana an-tsokosoko

  • jeudi, 08 octobre 2020 22:37
  • Tahirin-tsary manokana

Mirongatra izay tsy izy ny fitrandrahana an-tsokosoko tsikaritra any amin’ny ala atsinanana tato ho ato.

Anisan’ny lasibatry ny famotehana ny faritra arovan’ny Madagascar National Parks (MNP).

Mpisehatra amin’ny tontolo iainana iray monina any amin’ny Distrikan’i Toamasina II no nampita ny hafatra.
Mivoaka any atsinanan’Ambatondrazaka ny hazo sarobidy toy ny andramena sy ny voamboana mbamin’ny volomborona mialoha ny ahatongavany eny an-tsena.

Misy ihany koa ireo mamadika ny ala voajanahary ho harina.
Manginy fotsiny ny fisian’ireo mpitady vato sarobidy toy ny safira sy rubis ary ny volamena any an’ala any.

Tomponandraikitra eo an-tanàna sy olomboafidy miray tendro amin’ny mpanambola avy any Antananarivo no fantatra fa milomano amin’ny famotehan’ala noho ny fitadiavana tombontsoa manokana.

Manao ny ataony ihany koa ny tavy izay tsy ahitam-bahaolana mahomby mandrak’androany.

Tsy any amin’ny ala atsinanana ihany anefa no ahitana fandripahan’ala toy izany fa saika manerana an’i Madagasikara manontolo mihitsy.

Mampahonena ny tranga misy any amin’ny alan’ny Mikea, araka ny tatitra hita tamin’ny fahitalavitra.
Dorana sy toa iniana potehana mihitsy izay sisa tsy lasa harina.

Raha tonga nitsidika ny faritra misy ala mpamatsy rano ny tanànan’i Tolagnaro ny filoha Andry Rajoelina ny talata faha-6 oktobra teo dia nanamafy fa tsy maintsy atao izay hiarovana ny ala.

Manahirana dia manahirana tokoa anefa ny asa fiarovana ny ala eto amintsika.

Balita Raharisoa

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.