Jono aty Alaotra: Voarara mandritra ny roa volana
- jeudi, 08 octobre 2020 22:21
- Sary nindramina
Voarara manomboka ny faha-25 oktobra ho avy izao, ka hatramin’ny faha-22 desambra ny asa fanjonoana aty Alaotra-Mangoro.
Ny alarobia faha-23 desambra indray ny mpanjono aty an-toerana vao afaka miverina amin’ny asany mahazatra. Efa avo rahateo ny rano no sady efa mafotaka ihany koa ny asa an-tanimbary amin’izay fotoana izay.
Mba hahatsara ny vokatra no anton’ny fepetra, hoy ny solontenan’ny minisitera tompon'andraikitra aty Ambatondrazaka.
Ny fitsinjovana ny ampitso no ao ambadiky ny fanakatonana ny rano isan-taona.
Fotoana fanatodizan’ny karazan-trondro ny vanim-potoana mafana toy izao.
Tsy te-hahalala anefa ny mpihaza sy ny mpihinana fa dia am-bilany sy am-bilia ary an-tsotro avokoa izay azo.
Ho tapitra ringana vetivety, noho izany, ny karazan-trondro raha tsy misy fiatoana kely ny fotoam-pihazana isan-taona.
Velon-taraina ireo mpivelona amin’ny sehatra ny lalam-pihariana jono aty Alaotra eo anatrehan’ny fepetra izay efa mahazatra isan-taona.
Mangataka ny fanafohezana ho iray volana ny fotoana fandraràna ny jono izy ireo. Mahatsiaro ho voa mafy toy ny olon-drehetra noho ny fepetra ara-pahasalamana izy ireo, koa ny jono no heveriny fa fomba hahitam-bola haingana amin’izao.
Nanamafy anefa ny tompon'andraikitry ny minisitera fa tokony ho efa-bolana ny fotoana fanakatonana ny jono, raha ny fepetra ara-teknika no jerena.
Tsetratsetra tsy aritra kely, indray taona dia nisy raim-pianakaviana voatana am-ponja taty Ambatondrazaka satria tratra nanjono nandritra ny fotoana voarara. Mbola trondro ihany koa anefa ny laoka miaraka amin’ny vary naterim-badiny ho azy.
Balita Raharisoa
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
https://sobikamada.com/index.php/sociale/item/24652-jono-aty-alaotra-voarara-mandritra-ny-roa-volana.html#sigProGalleria03727d821a
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.