CEPE 2020 - Antananarivo Renivohitra: Mpianatry ny EPP Est-Ambohijanahary no ambony naoty indrindra

  • mardi, 06 octobre 2020 10:02
  • Sary nindramina

18,30/20 ny salanisa ambony indrindra tamin’ny fanadinana CEPE 2020 teto Antananarivo Renivohitra. Tovolahy kely mpianatry ny EPP Est-Ambohijanahary no nahazo io salanisa ambony indrindra io.

Nisy ny alatsinainy 05 oktobra ny fankasitrahana nomen’ny fiadidiana ny tanàna tamin’ny alalan’ny Ben’ny tanàna, Naina Andriantsitohaina mivady, ireo mpianatra miisa 30 mianadahy, 5 isaky ny Boriborintany, tsara naoty indrindra tamin’iny fanadinana CEPE 2020 iny.

Kojakojam-pianarana miampy boky no natolotra azy tsirairay avy, vokatry ny fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ny «Teach for Madagascar», «Friends of Madagascar» ary orinasa tsy miankina samihafa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.