Ambositra: Vehivavy iray teraka tao anaty fiaran’ny Polisy

  • vendredi, 02 octobre 2020 10:01
  • Sary nindramina

Polisy nanao fisafoana amin’ny alina no sendra vehivavy iray bevohoka hamonjy hopitaly hiteraka ny Alarobia teo tokony tamin'ny 12 ora alina.

Nakarin’ny Polisy tao anaty fiaran’izy ireo ary nentina haingana hamonjy ny hopitalibe CHRR Ambositra.

Nigadona teo amin’ny faritry ny hopitaly ny fiara saingy tsy tonga tao amin’ny efitrano fampiterahana akory fa teraka tao anaty fiaran'ny Polisy ilay vehivavy.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.