Famongorana ny tazomoka: Ampiasaina ny teknôlôjia ho fizaram-baovao haingana kokoa

  • samedi, 05 septembre 2020 14:33
  • Sary nomena

Nanolotra tablette miisa 65 ho an’ny fanjakana malagasy ny Tetikasan’ny Filoham-pirenena Miady amin’ny Tazomoka (PMI) sy ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) hamongorana ny tazomoka any amin'ny distrikan'Antsirabe II sy Antsiranana I.

Hozaraina amin’ny sampandraharahan’ny fahasalamana sy ny tobim-pahasalamana any amin’ny distrika ireo tablette novatsian’ny governemanta amerikana ireo.

"Hanampy ny mpiasan'ny fahasalamana hanao fanaraha-maso haingana sy hitatitra any amin'ny tompon'andraikitra eny anivon’ny distrika ireo tablette ireo, izay hiantoka ny fahazoana valiny haingana mikasika ny tranga vaovao," hoy ny Tale Jeneralin'ny USAID John Dunlop.

“Zava-dehibe ho an’ny fahombiazan’ny tetikasa famongorana ny tazomoka ny fahazoana sy fizarana vaovao haingana,” hoy izy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.