Ala atsinanana: Hidonaka indray ato ho ato

  • samedi, 05 septembre 2020 13:50
  • Tahirin-tsary nindramina fanehoana

Izay tsy sempotry ny coronavirus dia ho sempotry ny doro tavy indray kelikely eo.

Hidolovoka afaka fotoana fohy ny ala atsinanana, hoy ny mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana any an-toerana.

Voakasika hatramin’ny faritra arovana sy ireo valan-javaboary mitahiry harena sarobidy ho an’ny zanak’olombelona.

Ao anatin’ny fanaovana tavy sy ny tevy ala ny mponina any amin’ny distrikan’i Marolambo, Mahanoro, Antanambao Manampontsy, Vatomandry, Anosibe An’ala, Brickaville, Toamasina II, Fenoarivo Atsinanana, Soanierana Ivongo, Vavatenina, Moramanga, Ambatondrazaka, Andilamena, Maroantsetra… ankehitriny.

Ny volana septambra ka hatramin’ny oktobra eo no matetika fandorana ireny tany hovolena ireny, raha ny volana jolay no manomboka mirongatra ny doro tanety eran’ny Nosy.

Saro-bahana ny olan’ny fanaovan-tavy izay efa nisy hatramin’ny taonjato maro nifandimby.
Anton-javatra maro no mahatonga izany. Ny fidadasiky ny fahantrana eto amintsika no heverina fa lohalaharana amin’izany.

Mitarika mankany amin’ny tsy fahampian’ny fahalalana ny maha-zavadehibe ny fitandroana ny tontolo iainana izany.
Ny valala eny an-danitra, hono, tsy azo asiana sira na efa manao izay ho afany aza ny minisitera misahana ny tontolo iainana sy ny rantsamangaikany mbamin’ny mpiray ombon’antoka.

Raha ny salanisa no jerena dia tsy ampy ny 2 isan-jaton’ny tetibolan’ny fitondrana akory ny anjaran’ny ministera isan-taona.

Misahana fanaraha-maso velaran’ala mirefy 3 000 - 100 000ha ihany koa ny mpiasan’ny ministera, na vondrona mpiaro tontolo iainana iray amin’ny ankapobeny.

Nanampy trotraka ny vokatry ny fihibohana noho ny Covid-19 sy ny fitotongan’ny fidiram-bola ho an’ireo mpisehatra isan-karazany tamin’ity taona ity.

Balita Raharisoa

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.