Antsiranana: Misedra olana amin’ny famatsian-drano nanomboka ny alahady teo

  • mercredi, 18 mars 2020 12:32
  • Sary: JIRAMA

Nisy fantsona lehibe roa lasan’ny rano ary nisy ihany koa ireo fantsona nilatsahan’ny vato ka mitaky fanamboarana, hoy ny avy eo anivon’ny Jirama. Ny ora-nikija no nitarika ny fahasimbana, ka izany no fototr’ity fikorontanan’ny famatsian-drano eto an-drenivohitry ny Faritra DIANA ity, hoy hatrany ny fanazavana.

Vahaolana vonjimaika ny fitaterana rano amin’ny "camions citerne", izay irahan’ny JIRAMA sy ny orinasa STAR miasa, hamatsiana ireo Fokontany samihafa. Ireo mponina akaikin’ny tobim-panadiovan-dranon’ny JIRAMA, PK7 kosa dia nomena alalana haka rano mivantana eo amin’io toby io.

Hisy « citerne » fanampiny avy any Antsohihy hanampiana ny famatsiana rano sy eo ampiandrasana ireo fitaovana fanampiny avy any Antananarivo, ilaina amin’ny fanamboarana ireo fantsona simba.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.