Sociale

    • dimanche, 31 janvier 2021 18:58
    • Sary nindramina

    Sosialy : Mitombo ireo mpifindra monina avy any atsimo

    Tonga eto Andranovory ireo mpifindra monina avy any Bekitro, Distrika Bekily, Faritra Androy, hiazo an'i Maevatanana, Tsiroanimandidy ary Ambondromamy. Ho tonga rahampitso alatsinainy 01 febroary any Antananarivo izy ireo. 90 000 ariary ny saran-dalana aloan'izy ireo raha Bekitro - Antananariivo, ary 120 000 ariary kosa raha mandeha mivantana. Miisa 75 eo ry zareo, ary efa nanomana ny dia satria fiara voahomana no andehanan'izy ireo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 28 janvier 2021 08:13

    Vary Tsinjo : 05 kilao isan-kerinandro no azon’ny isam-pianakaviana vidiana

    1 500 Ariary ny kilaon’ny Vary Tsinjo amidy amin’ireo tsenakely sy ny Tsena Mora manerana ny Nosy, ka ny Alatsinainy, Alarobia, Zoma no hanatanterahan’izy ireo izany. 05 kilao isan-kerinandro no azon’ny isam-pianakaviana vidiana. Mila mitondra ny karinem-pokontany ireo mividy vary eny amin’ny tsenakely sy eny amin’ny Tsena Mora. Ho an’Antananarivo Renivohitra manokana dia hotsinjaraina any amin’ireo tsenakely miisa 984 izany, ary efa voafantina ireo mpamongady sy mpaninjara ny vary mba hialana amin’ny fanararaotana sy ny fanodikodinana.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 24 janvier 2021 19:24
    • Sary nomena

    Tsena sy fanjifana : Tonga ny « Vary tsinjo » 7000 taonina hamidy 500Ar ny kapoaka

    Tonga androany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo mitondra vary 7000 taonina, nafaran’ny fanjakana amin’ny alalan’ny SPM (State Procurment of Madagascar). « Vary tsinjo » hanamaivanana ny fahasahiranan'ny mponina manoloana ny fiakaran’ny vidim-bary ireto tonga ireto ka hihazo avy hatrany an’Antananarivo, ary haparitaka amin’ireo faritany rehetra. Hamidy 500Ar ny kapoakan’izany « Vary Tsinjo » izany eny anivon'ireo tsena eny amin'ny Fokontany. Afaka roapolo andro dia ho tonga ny sambo faharoa hitondra 8500 taonina, ary hitohy hatrany isam-bolana ny fanafarana mandrapahamarin-toeran'ny vidim-bary. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 janvier 2021 16:52
    • Photos Fournies

    Tolagnaro : Le Président Andry Rajoelina aux côtés des Sœurs Filles de la Charité - Sahan’i Maria

    Avant de quitter la capitale de la Région Anosy, le Président de la République Andry Rajoelina a procédé ce 20 janvier 2021, au lancement du hotspot WI-FI situé sur la place de l’Hôtel de Ville de Tolagnaro. Une cinquantaine de ces hotspots WI-FI ont été installés à travers Madagascar pour offrir un accès gratuit à internet pour les utilisateurs. A l'ère du numérique et du développement des télécommunications, la mise en place de ces hotspots WI-FI, offrira à la population, et surtout aux jeunes, un accès aux savoirs dont ils ont besoin grâce à internet, mais surtout un moyen de communiquer avec le monde. Par ailleurs, il s’agit ici de la concrétisation d'un Velirano du Président Andry Rajoelina à la population, notamment en ce qui concerne l’accès à une éducation décente pour tous, ainsi que la modernisation de Madagascar à travers les nouvelles technologies et le numérique. Le Chef de l’État s’est ensuite rendu à la congrégation des Sœurs Filles de la Charité - Sahan’i Maria qui accueille les personnes victimes de malnutrition. Le Président Andry Rajoelina a offert aux sœurs de la congrégation, des vivres afin de les soutenir dans leurs actions en faveur des familles démunies du Sud.
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 janvier 2021 10:05
    • Photos Fournies

    Palais d’État d’Iavoloha : Cérémonie en l’honneur des lauréats aux examens officiels 2020 de Madagascar

    Le Président de la République a procédé, ce 15 janvier 2021, à la remise des prix d’excellence aux lauréats durant les examens du Baccalauréat, de BEPC et de CEPE de l’année scolaire 2019-2020. Lors de la cérémonie qui s’est tenue au Palais d’État d’Iavoloha, les 66 lauréats aux examens officiels, issus des 22 régions de Madagascar, ainsi que la benjamine - âgée de 13 ans - à l’examen du Baccalauréat, ont reçu leur attestation d’excellence ainsi que divers cadeaux. Les lauréats aux examens du Baccalauréat ont été dotés notamment d’un ordinateur portable ainsi qu’un abonnement à internet pour une durée d’un an. Andry Rajoelina a annoncé que l’État malagasy facilitera la recherche de bourses extérieurs pour les bacheliers qui désirent poursuivre leurs études à l’étranger. Pour ceux, qui souhaitent rester au pays, l’État prendra également en charge leur accès à l’université de leur choix.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 janvier 2021 20:22
    • Sary nindramina

    Kere any Atsimo : Hanampy ireo Mponina misedra olana ny Vondrona Bohra

    Nihaona tamin’ny Minisitry ny mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Michelle Bavy Angelica tetsy amin'ny birao fiasan'ity farany etsy Ambohijatovo ny delegasiona Karana ao amin’ny Vondrona Bohra, androany. Voaresaka tao ny fomba ahafahan’ny roa tonta miara-miasa akaiky mba hitondra tombontsoa ho an’ny mponina eto Madagasikara. Hanao tolo-tanana ho an’ireo Mponina misedra ny kere any Atsimo izy ireo. Eto Antananarivo indray dia hanamboatra toeram-pidiovana amin’ny faritra Besarety, Isotry, Tsaralalana ; hanorina fanasan-damba ireto karana ireto ary koa hametraka jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro amin’ireo faritra mbola maizina. Hanolotra sakafo masaka ho an’ireo zokiolona ny Vondrona Bohra, ny sabotsy 16 janoary ka an’arivony no kendreny hisitraka izany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 janvier 2021 11:25
    • Sary : Ministeran’ny Fahasalamana

    Fitsaboana aretin’ny voa : Nanolotra milina fanadiovana rà miisa 18 ny fikambanana « Aurar »

    Nanolotra « générateur de dialyse » na milina fanadiovana rà miisa 18, sy ireo kojakoja ary akora manaraka izany ny Fikambanana « Aurar » avy ao amin’ny nosy rahavavy La Réunion, ho fandraisany anjara amin’ny fitsaboana ny aretin’ny voa eto Madagasikara. Ho tsinjaraina ho an’ny HJRA, CHU Befelatanana, ary CHU Analankinina Toamasina ireo fitaovana ireo mba ahafahan’ny vahoaka misitraka izany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 janvier 2021 08:49

    Hetsika “Sangany sy Voafehiko” : Hotolorana mari-pankasitrahana ireo Mpianatra sy Mpampianatra mendrika indrindra manerana ny Faritra 22

    Hotoloran’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena mari-pankasitrahana ireo Mpianatra sy Mpampianatra mendrika indrindra manerana ny Faritra 22 nandritra ny fanadinam-panjakana (CEPE, BEPC, BAC) taona 2020. Hatao eto Antananarivo anio 15 janoary 2020 ny lanonana mahakasika izany ao anatin’ny hetsika “Sangany sy Voafehiko”. Natao hanomezana lanja ny ezaka vitan’ny tsirairay, fampirisihana sy fanomezana risi-po azy ireo ity hetsika ity mba hanoy hatrany ny ezaka rehetra natao hatramin’izay, mba hahazoana vokatra tsara, fa indrindra hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fanabeazana. Haharitra telo andro ny fandraisan’ny ministera an-tanana an’ireo mpianatra miisa 88 sy mpampianatra miisa 41, ka tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo ny fiatrehana hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto, ny fitsidihana orinasa, ny oniversite Ankatso, ny Hôtel de Ville Analakely, Rova sy ny valan-javaboary ao Tsimbazaza ary ny fijerena sary mihetsika ao amin’ny Plaza Ampefiloha.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 janvier 2021 08:44
    • Sary nindramina

    Andian'olona maro tonga ao Fianarantsoa : Nandray andraikitra avy hatrany ny fitondram-panjakana

    Mpifindra monina noho ny kere sa nisy nampanantena asa ? Andian'olona maro avy any atsimo no tonga manao andiany ao Fianarantsoa ny fiandohan'ny herinandro ity. Nidina tao amin'ny Toby fiantsonana Ankazondrano-Fianarantsoa nihaona tamin'ireo olona izay nanana olana teo amin’ny fifandraisana sy ny fitaterana avy any amin'ny Faritra atsimon'ny Nosy hihazo ny Faritra avaratry ny Nosy, ny Minisitry ny Mponina sy ny Goverinoran'ny Faritra Mahatsiatra Ambony, ny Prefet-n'i Fianarantsoa niaraka tamin'ireo Talem-paritra, hamahana ny olan'ireo. Nisy ny vahaolana naroso avy hatrany ka anisan'izany ny trano hitobian'izy ireo vonjimaika izay eny amin'ny CERES Ambalakely, ka samy nizarana lamba firakotra tsirairay avy, miaraka amin'izay ny fiantohana azy ireo mandritra ny fotoana ijanonan'izy ireo eny an-toerana. Hisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana sy ny fitsaboana ary ny fizarana fanafody maimaimpoana ho an'ireo izay mila izany. (Jereo Sary Tohiy)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 janvier 2021 18:40
    • Sary nindramina

    INSTAT : Mitaraina ireo mpiasa "de droit privé"

    Sady mitaraina ireo mpiasa "de droit privé" ao amin’ny INSTAT no mangataka ny mba hijerena manokana ny momba azy ireo. Misy ny tsy fitoviana eo amin’ny fitantanana ny mpiasa kanefa dia mitovy tanteraka amin’ny an’ireo mpiasa-mpanjakana (fonctionnaires) ihany ny asa rehetra sahanina. Tsy nisitraka ny fiakaran-karama 13 % izay nolaizan’ny filoham-pirenana, namafisin’ny didim-pitondrana 2020-006 ny 10 janoary 2020, izy ireo. Tsy mahazo "remboursement des frais médicaux" sady tsy misitraka ny tombotsoa amin’ny CNaPS satria mbola tsy voaloan’ny tompon'andraikitra ny latsakemboka. Tsy misitraka ny "poste budgétaire" na "remplacement numérique" izy ireo nanomboka ny taona 2015 kanefa ny mpiara-miasa teo aloha dia nisitraka izany. Efa mihoatra ny enina taona farafahakeliny, ary telopolo taona farafahabetsany no niasan’ireo mpiasa "de droit privé" ireo tao amin’ny INSTAT.
    Lire la suite ...
Page 2 sur 229