Ministeran'ny fampianarana ambony : Tanjona amin'ity taona 2021 ny fandoavana ara-potoana ireo vatsim-pianarana sy karama

  • mercredi, 17 mars 2021 19:41
  • Super User

Fanamby napetraka amin'ny Ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ary lany teo anivon'ny parlemanta, tamin'ny alalan'ny tetibolam-panjakana taona 2021 fa aloa ara-potoana ny vatsim-pianaran'ny mpianatra, ireo ora fanampiny ho an'ny mpampianatra, ireo karaman'ny mpiasa sy mpandraharaha eo anivon'ny oniversité.

Tanjona amin'ity taona diavina 2021 ihany koa ny isian'ny fitoniana ara-tsosialy ka ampihenana ho iray (01) ihany ny isan'ireo grevy na fandrahonana hi grevy eny anivon'ny anjerimanontolo tsirairay.

Raha 103 551 655 000ar ny teti-bola nolaniana tamin'ny vatsim-pianarana, ora fanampiny, ary karaman'ireo mpandraharaha eny anivon'ny Oniversité manerana ny nosy tamin'ny taon-dasa 2020, dia nahena ho 102 366 698 000ar izany ity taona 2021 ity, ary tombanana ho 102 470 069 000ar izany amin'ny taona ho avy 2022, ary 102 547 357 000 ny taona 2023.

Mahatratra 410 935 779 000ariary izany io fandaniana io ao anatin'ny 4 taona.

Marihina fa mahatratra 83 311 eo ny isan'ny mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo miankina amin'ny fanjakana manerana ny nosy ny taona 2018, lehilahy 45 464 ary vehivavy 37 846.

Tsy hananana hatreto ny isa marina amin'ireo mpianatra mandray vatsim-pianarana fa tombanana ho ny antsasaky ny mpianatra no misitraka izany.

Mirary soa e
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.