CSM : 26 martsa no hifidy ireo solontenany roa ho mpikamban’ny HCC

  • samedi, 13 mars 2021 12:35
  • Zakaria

Namoaka fanambarana ny Filankevitra ambon’ny mpitsara na CSM, ny 10 martsa 2021, mampahatsiahy fa tapitra ny 12 martsa 2021 ny fepotoam-piasan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana na HCC.

Ary mampiomana ireo mpikambana sy mampandre ireo te hirotsaka ho kandida, fa hotanterahina etsy amin’ny foiben-toerany etsy Tsaralalana-Antananarivo amin’ny 26 martsa 2021 ny fifidianana ireo solontena roa avy amin’ny CSM ho mpikambana ao amin’ny HCC, ho an’ny taom-piasana 2021-2028.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.