HCC : Tapitra ary hifarana ny 12 Martsa izao ny fepotoam-piasany

  • mercredi, 10 mars 2021 19:52
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Ny didim-panjakana laharana faha 2014-102 tamin’ny 27 Febroary 2014 no nanendrena ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay natolotry ny Filoham-pirenena.

Ny 12 martsa 2014 ny nanaovan’izy ireo fihanianana, ary nanomboka tamin’io fotoana io ihany koa ny fotoam-piasan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

Hifarana ny 12 martsa 2021 izao ny fotoam-piasan’ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, izay naharitra 07 taona.

Namoaka didim-panjakana mitondra ny laharana 2021-261 tamin’ny 04 martsa 2021 ny fiadidiana ny Repoblika manambara ny fifaranan’ny fepotoam-piasan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ankehitriny ; didim-panjakana vaovao izay hihatra avy hatrany.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.