Fankalazana ny 8 martsa : Zumba bavata any Ampisikina Mahajanga

  • mardi, 09 mars 2021 08:45
  • Zakaria

Niara-hikoràna tamin’ny alalan’ny dihy zumba bavata tany Ampisikina ny fikambanam-behivavy tany Mahajanga ny alatsinainy 08 marsa nanomboka tamin’ny 5 ora hariva.

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny 8 martsa ny hetsika.

Mandeha be anefa ny resaka fa ahitana tranga mikasika ilay coronavirus amin’ny endriny vaovao toy ny any Nosy Be ihany koa any an-drenivohitr’i Boeny amin’izao fotoana izao.

Mpitsabo iray miasa ao amin’ny hopitaliben’Androva, ohatra, no fantatra fa tsy maintsy nampidirina any amin’ny hopitaly maranam-penitra ny zoma lasa teo noho ny Covid-19.

Fantatra ihany koa fa maro ankehitriny ny olona mitaraina ho tratry ny gripa hafahafa any an-toerana.

Ny kivorivory toy ny tamin’ny fandalovan’ilay mpanakanto vavy malaza avy atsy Afrika Atsimo sy ny fankalazana ny fanopoambe no anisan’ny nampirongatra ny fihanaky ny Covid-19 tany Boeny sy tamin’ny faritra hafa manodidina tamin’ny taon-dasa.

Rehefa ny famoriam-bahoaka no lazaina dia ny vavaka fangataham-pitahiana tao amin’ny toerana mihidy tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjanahantena tao Mahamasina sy ny tatitry ny solombavam-bahoaka avy amin’ny fanoherana tao amin’ny Magro Tanjombato Antananarivo no mby tonga voalohany ao an-tsaina.

Raha izay no bangoina dia samy tompon'andraikitra ny rehetra na inona na inona antony.

Balita Raharisoa

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.