Roland Ratsiraka : Ataon'ny olona akaiky ny fitondrana ampihimamba ny toe-karena

  • vendredi, 19 février 2021 18:23
  • Njaka
  • Sary Njaka

Nilaza ny solombavam-bahoaka Roland Ratsiraka nandritra ny valandresaka natao tamin’ny mpanao gazety, androany zoma 19 febroary tetsy amin'ny Carlton, fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny laharam-pahamehana ao anatin’ny sain’ny mpitondra fanjakana.

Lasa any amin’ny toeran-kafa ny laharam-pahamehana ho entin’ny mpitondra ankehitriny ka hany lasa mikorontana ny raharaham-pirenena.

Ilaina hoy ny solombavam-bahoaka voafidy tao Toamasina ny fotodrafitrasa iombonana, fa tsy fotodrafitrasa ara-panatanjahantena no handaniana vola tsitokotsiforohana.

Mbola ao ny sosialim-bahoaka izay mbola tsy voavaha hatreto.

Rariny raha hisy ny fitokonana etsy sy eroa satria mikatso ny toekarena, fehezin’ny olona akaiky ny fitondràna ho azy irery ny fanondranana lavanila, menaka ary litchis hoan’ireo mpandraharaha.

Nanipy resaka ihany koa Andriamatoa Roland Ratsiraka mahakasika ny fanehoan-kevitra ataon’ny mpanohitra. “Avelao ny olona haneo ny heviny ary tsy tokony hosakatsakanana ny filaharana tsy misy herisetra”. Ary manameloka ny herisetra amin’ny fomba rehetra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.