Etats-Unis : Hanao fianianana anio i Joe Biden

  • mercredi, 20 janvier 2021 18:08
  • Tigre
  • Sary nindramina

Anio alarobia 20 janoary amin'ny 12ora atoandro, ora any an-toerana (08ora alina aty Madagasikara), no hanao fianianana ny filoha amerikanina vaovao Joe Biden, andimby an'i Donald Trump.

Miaramila 25 000 no misahana ny fandriam-pahalemana, satria maro ireo mpomba ny filoha teo aloha Donald Trump no nampiseho fihetsika mahery, mitam-piadiana amin'izao fifindran'ny fahefana izao.

Donald Trump moa dia andray fiaramanidina force One farany, fotoana fohy alohan'io fianianana io, ka hiazo an'i Floride, fa tsy hanatrika izany lanonana izany izy.

Joseph Robinette Biden Jr.afohezina amin'ny hoe Joe Biden no anarany, teraka ny 20 novambra 1942 (78 taona mahery) tao Scraton Pennsylvanie izy. Senatera federaly ho an'i Delaware izy ny taona 1973-2009, ary voafidy ho filoha lefitra amerikanina izy ny taona 2009-2017, niaraka tamin'ny Filoha Barack Obama, ary izy voafidy ho filoha'i Etats-Unis izao.

Katolika ny lehilahy, ary izy no Katolika voalohany lany filoha lefitra, ary Katolika faharoa lany ho filoha taorian'i John Fitzgerald Kennedy tamin'ny taona 1961.

Mpikambana ao anatin'ny antoko demokraty i Joe Biden.
Joe Biden no filoha zokiny indrindra niditra ny Trano fotsy misy ny filoham-pirenena amerikanina.



Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.