Marc Ravalomanana : Natoloran’ireo Loholona mpanao fanadihadiana ny dika mitovy ny tatitra nataon’izy ireo

  • mercredi, 20 janvier 2021 10:48
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tonga teny amin’ny trano fonenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, teny Faravohitra ny talata 19 janaory 2021, ireo Loholona filohan'ny vaomiera mpanao fanadihadiana, nanatitra ny tatitra mikasika ireo fanadihadiana nataony mialohan'ny fiafaran'ny fe-potoana fiasan’izy ireo anivon’ny Antenimierandoholona.

Mikasika ny raharaha « doublons » tamin'ny fifidianana, ny fampidirana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, ny raharaha tany amin'ny fonjan'i Farafangana izay nahafatesana voafonja, ary ny fitantanana ny vola natokana hiadiana amin'ny Covid-19 ny fanadihadiana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.