Antenimierandoholona : Telo ny Filoha lefitra ka iray avy amin’ireo mpanohitra

  • mardi, 19 janvier 2021 17:44
  • Zakaria
  • Sary nomena

Niroso tamin’ny fandaniana ny fitsipika anatiny ireo Loholon’i Madagasikara nandritra ny fivoriana voalohany androany.

Nisy ny fanovàna natao, ka toy izao no nandrafetan’izy ireo ny Birao maharitra sy ny vaomiera eo anivon’ny Antenimierandoholona :

- Mikasika ny birao maharitra:
Telo no Filoha lefitry ny Antenimierandoholona ka ireto avy izany:
1. Filoha lefitra misolo tena ireo faritany avy any avaratra
2. Filoha lefitra misolo tena ireo faritany avy any atsimo
3. Filoha lefitra avy amin’ ireo mpanohitra

Kestiora iray ihany no handrafitra ny Birao maharitra (Questeur chargé de l’Administration des Finances et du personnel, des relations publiques et des fonctions législatives)

Mpampaka teny iray, ka amin’ny tsy fahafahan’ny kestiora dia afaka misolo toerana ity farany izy.

- Mikasika ny vaomiera, dia telo no isan’izy ireo :
1. Vaomiera misahana ny fitantanam-bola , toe-karena sy ny fampandrosoana maharitra
2. Vaomiera misahana ny lalàna
3. Vaomiera misahana ny ara-tsosialy, ara-koltoraly ary ny fifandraisana

Mpikambana enina no handrafitra ny vaomiera ary afaka mikambana ao anaty vaomiera roa ny Loholon’i Madagasikara iray.

Marihina moa fa miandry ny fanapahan-kevitra avy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, mahakasika ity fitsipika anatiny ity, vao hitohy indray ny fivoriana eo anivon’ny Antenimierandoholona.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.