Antenimierandoholona : Voafidy ho Filoha ny Loholona Razafimahefa Herimanana

  • mardi, 19 janvier 2021 12:35
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Taorian'ny Latsa-bato miafina natao dia lany ho Filohan'ny Antenimierandoholona ny Loholona Razafimahefa Herimanana.

Tsy nisy mpifaninana taminy fa kandida tokana narotsaky ny IRMAR izy.

Loholona voafidy tato amin'ny faritany Antananarivo Razafimahefa Herimanana. Sekretera jeneraly tao amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena ny andraikitra farany notanany.

Teo amin'ny lafiny politika dia mpikambana tao amin'ny antoko Grad Iloafo izy. Tao amin'ny vovonana ESCOPOL tamin'ny tetezamita. Mpikambana tao amin'ny CST (Conseil supérieur de la transition). Lasa mpikambana TGV.

Izy no Filoha faha10 hitondra ity andrimpanjakana mpanao lalàna ity, handimby toerana an'i Rakotovao Rivo.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.