Antenimierandoholona : Fanaovam-beloma ireo Loholon’i Madagasikara

  • mardi, 19 janvier 2021 10:23
  • Zakaria
  • Sary nomena

Nanao veloma ireo Loholon’i Madagasikara izay notarihin’Atoa Rivo Rakotovao ny alatsinainy 18 janoary 2021 ny mpiasa eo anivon’ny Antenimierandoholona. Nitarika izany Ramatoa Robline, Sekretera Jeneralin’ny Antenimierandoholona.

Nisaotra sy nankasitraka ireo Loholon’i Madagasikara ireo tamin’ny zavatra nataon’izy ireo, ity farany. Noho ny fijoroan’izy ireo hoy izy no nahafahana niaro ny Andrimpanjakana.

Ny Filohan’ny Antenimierandoholona tetsy ankilany dia nankasitraka ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny mpiasa sy ny Loholon’i Madagasikara ary nanentana ny mpiasa rehetra izy mba hanao ny tsaratsara kokoa amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo Loholon’i Madagasikara vaovao.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.