19 Janoary : Roa taona androany ny fianianana nataon’ny filoha Andry Rajoelina
- mardi, 19 janvier 2021 08:08
- Zakaria
- Tahirin-tsary nindramina
19 janoary 2019-19 janoary 2021, mitsingerina androany ny faharoa taona nanaovan’i Andry Rajoelina fianianana ampahibemaso teo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina – Antananarivo, nandraisany ny fahefana feno maha Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara azy :
“ Eto anatrehan’Andriamanitra Andriananahary sy ny Firenena ary ny Vahoaka, mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamarinana ny andraikitra lehibe maha-Filohan’ny Firenena Malagasy ahy.
Mianiana aho fa hampiasa ny fahefana natolotra ahy ary hanokana ny heriko rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon’olombelona.
Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-panjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an’ny Vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ”.
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.