Raharaha volamena 73,5kg : Manara-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny

  • vendredi, 15 janvier 2021 09:53
  • Zakaria

Nanao fanambarana ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Malagasy ho fampahafantarana ny fifampiresahana eo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny governemanta afrikana tatsimo mikasika ny raharaha fanondranana volamena antsokosoko tra-tehaka tatsy Afrika Atsimo.

Raha tsiahivina dia natolotry ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy an-tanana ny Masoivoho afrikana tatsimo miasa sy monina eto Madagasikara, ny 10 janoary 2021 lasa teo, ireo antontan-taratasy fangatahana fampiharana ny fifandraisana iraisam-pirenena hamerenana eto Madagasikara ireo volamena naondrana antsokosoko, sy ireo olona miisa telo voasaringotr’ity raharaha ity.

Nampitain’ny Masoivoho tamin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahinin’ny Firenena Afrika Atsimo (Departemantan’ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fiaraha-miasa) izany fangatahana izany. Ity farany kosa no nanolotra ireo antontan-taratasy ny tompon’andraikitra ara-pitsarana mahefa any an-toerana.

Eo andalam-pandinihina ny fangatahan’ny Fanjakana malagasy izy ireo ankehitriny.

Manara-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha, sady tsy mitsahatra mifandray amin’ireo manam-pahefana afrikana tatsimo ny Fitondram-panjakana malagasy, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny.

Mikasika ny raharaham-pitsarana tamin’ny 12 Janoary 2021 indray, nolavin’ny Fitsarana ao Kempton Park ny fangatahana hamotsorana vonjimaika ireo voampanga izay nataon’ny mpisolovava azy ireo. Fanondranana harena sarobidy antsokosoko sy fandikàna ny lalàn’ny fadintseranana afrikana tatsimo no iampangana azy ireo.

Nanapa-kevitra ihany koa ny Fitsarana ao Kempton Park hanemotra amin'ny 1 Febroary 2021, ny fotoam-pitsarana momba ireo fandikan-dalàna ireo.

Tsy misy ifandraisany araka izany, etsy andaniny, ny fanenjehana ireo voampanga ho nandika lalàna afrikana tatsimo, nataon’ny Fitsarana any an-toerana ny 12 Janoary izay hitohy ny 1 Febroary 2021, ary etsy ankilany, ny fangatahana ny hamerenana eto Madagasikara ireo volamena naondrana antsokosoko sy ireo voampanga, nataon'ny Fanjakana malagasy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.