Fifehezana ny Covid-19 : Nanadino zavatra iray manan-danja Razanamahasoa Christine

  • mardi, 20 octobre 2020 21:20
  • Balita

Niarahaba manokana ny filoha Andry Rajoelina ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine noho ny fifehezana ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19.

Anisan’ny nasongadiny tamin’ny kabary fanokafana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimiera izany nandritra ny lanonana mahazatra notontosaina tao amin’ny toeram-pivoriana iraisam-pirenena CCI Ivato androany faha-20 oktobra misandratr’andro.

Ny filoha no “mpitari-tafika” tamin’ny ady, no sady filohan’ny fahefana mpanatanteraka koa, dia rariny raha any aminy no miantefa ny fiarahaban’ny filohan’ny andrim-panjakana iray mpanao lalàna.

Angamba hadinon-dRazanamahasoa Christine anefa fa anisan’ireo nindaosin’ny fahafatesana noho io valanaretina io ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Morombe Rakotomalala Lucien ny alin’ny 7 jolay.

Anisan’ireo mpanohana mahafatrapo ny filoham-pirenena ankehitriny io mpikambana ao amin’ny Antenimieram-pirenena lavon’ny valanaretina io.

Marina fa efa nisy ny fombafomba nataon’ny birao maharitra sy ireo mpiara-miasa.
Tsara anefa raha notsiahivin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena ny fahafatesan’ny solombavambahoaka sy ny amin’ireo namana hafa tratry ny coronavirus saingy sitrana soa aman-tsara.

Nilentika lalina kokoa tao an-tsain’ny olona ny fanamafisana ny fanentanana ho fitandremana hatrany manoloana ny fisian’ny Covid-19 raha nanao izany Razanamahasoa Christine.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.