Fizaram-paritra: Samy hisy Distrika telo avy handrafitra an’i Vatovavy sy Fitovinany
- dimanche, 11 octobre 2020 20:26
- Zakaria
- Sary nomena
Nihaona tamin’ireo Ampanjaka, raiamandreny amin’ny fiaraha-monina sy ireo manampahefana avy amin’ny Distrikan’i Mananjary, Ifanadiana, Nosy Varika, Manakara, Vohipeno ary Ikongo ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Finaonana natao tao Vodirano Manakara ny sabotsy 10 oktobra 2020.
Votoatin’ny fihaonana sy dinika ny amin’ny hizarana ho roa ny faritra Vatovavy Fitovinany.
Fizarana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana no atao, hanatsara ny fitsinjaram-pahefana sy hanala ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny fivezivezena momba ireo taratasim-panjakana fa tsy fizaram-poko na fampisaraham-bazana, hoy i Andry Rajoelina.
Natao zara mitovy ka hanana Distrika telo avy ny faritra Vatovavy sy ny faritra Fitovinany. Nosy Varika, Mananjary, Ifanadiana no handrafitra ny Faritra Vatovavy ; ary Manakara, Vohipeno sy Ikongo no ho Faritra Fitovinany.
Voalaza araka ny tati-baovao fa « niray feo, niombon-kevitra amin’io fizarana io ireo Ampanjaka taranaka Ndrenony efatra mirahalahy avy any Ikongo sy ireo olom-boafidy aty an-toerana ».
Taorian'ny dinika dia nisy ny fifampizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana araka ny fanao nentim-paharazana ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany.
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.