Fetin’ny 14 oktobra any Anahidrano: An-dalana ireo hanatrika ny lanonana

  • dimanche, 11 octobre 2020 19:54
  • Balita

Nianga androany alahady 11 oktobra hariva tany amin’ny misy azy ny ankamaroan’ireo goverinoram-paritra mba hihazo an’Antananarivo renivohitra.

Any Antsohihy no tena anton-dian’izy ireo.

Fantatra fa hitanjozotra ho any amin’ny faritra Sofia izy ireo rahampitso alatsinainy sy ny talata ihany koa.
Hanatrika ny fankalazana ny fetin’ny faha-14 oktobra any an-toerana miaraka amin’ny filoha Andry Rajoelina sy ireo manampahefana ambony hafa no fotodian’izy ireo any.

Any Anahidrano, izay toerana nahalatsahan’ny tavonin’ny filoham-pirenena voalohany Tsiranana Philibert, no ivon-toeran’ny fankalazana ny faha-62 taonan’ny nahaterahan’ny Repoblika Malagasy.

Io no voalaza fa hasolo ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantena izay tsy tanteraka ny 26 jona lasa teo noho ny valanaretina Covid-19.

Tokony ho nankalazaina tamin’ny fomba manetriketrika manerana ny nosy ny lanonan’ny 14 oktobra, araka ny fampanantenana tany am-boalohany.

Voatery nofoanana anefa izany noho ny antony hamehana aram-pahasalamana mbola mitoetra, ary dia io fihaonambe any amin’ny faritra Sofia io no entina mankalaza izany.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.