Masoivoho Indianina: Tsy miankin-doha amin’ny JIRAMA fa mampiasa angovo avy amin’ny herin’ny masoandro

  • samedi, 03 octobre 2020 18:20
  • Zakaria
  • Sary nomena

Nankalaza ny faha-150 taonan’i Mahatma Gandhi ny teo anivon’ny Masoivohon’i Inde eto Madagasikara.

Tonga nanome voninahitra ny lanonam-pamaranana teny amin’ny Masoivoho Indianina Antsahavola ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, izay notronon’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana ho Lovainjafy Raharinirina Baomiavotse Vahinala.

Namanarika ity fankalazana ity ny fitokanana ny dingana goavana nataon’ny eo anivon’ny Masoivoho Indianina eto Madagasikara amin’ny fampiasan'izy ireo ny angovo azo havaozina, izay azo avy amin’ny herin’ny masoandro.

Nankasitraka ny zava-bitan’ny Masoivoho ny Praiminisitra, ka nilaza fa « tsara halain-tahaka izao fihetsika izao, ka homena vahana ny fampiasana ny angovo azo havaozina ».

Ny fiampitàna amin’ny fampiasana izany angovo izany dia tena manampy amin’ny ady atao amin’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fikajiana ny tontolo iainana hoy hatrany izy.

Marihina fa i Madagasikara dia mpikambana ao amin’ny “Alliance Solaire Internationale”, ary nanamafy ny fanekena ny fifanarahana efa mipetraka eo anivon’izany fikambanana izany, ny andro voalohany niatombohan’ny fivoriambe mikasika ny fiovaovan’ny toetrandro, izay natao tao Marrackech ny taona 2016.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.