Fampandrosoana ifotony: Mijoro ny « Komity miaro ny soa iombonana »

  • jeudi, 10 septembre 2020 15:56
  • Super User
  • Sary nindramina

Nitsangana tao anatin’ny vanimpotoanan’ny hamehana ara-pahasalamana ny « Komity Miaro ny Soa Iombonana » (KMSI), noho ny fitarainan’ny Fokonolona momba ny tsy fanarahana ny rafitra misy eny anivon’ny Kaominina sy ny Fokontany.

Mahatsapa ny Komity fa mandeha ila ny zava-misy amin’izao fotoana izao ka tsara ifampiresahana. Tonga nitondra ny fitarainan’ny Vahoaka eny anivon’ny Fokontany teo anivon’ny Antenimierandoholona izany Komity izany ny alarobia 09 septambra 2020.

Solontena avy amin’ireo Boriboritany misy eto Antananarivo Renivohitra izy ireo, tonga nitondra ny hetahetan’ny vahoaka amin’ireo Loholon’i Madagasikara amin’ny maha solotena ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ity farany.

Ny tanjon’ny komity dia ny mba hisian’ny tena fampandrosoana eny anivon’ny Fokontany ka amin’ny alalan’ny fampandraisana andraikitra ny Fokonolona no ahafahana manatanteraka izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.