Rtoa Kalozafy: Nosalorana samboady maha Loholon’i Madagasikara

  • jeudi, 03 septembre 2020 21:57
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Notanterahina androany alakamisy 03 septambra 2020, teto amin’ny Lapan'ny Antenimierandoholona, ny lanonana fametrahana samboady an-dRtoa Kalozafy Loholon’i Madagasikara avy any amin’ny Faritanin’Antsiranana.

Izy moa dia nisolo toerana an-dRtoa Razafindratovo Ravololonirina Emilie, nodimandry teto Antananarivo ny 22 jona 2020.

Ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, notronin’ireo mpikambana ao amin'ny birao maharitra sy ireo Loholon’i Madagasikara no nanatanteraka izany. Nanatrika ny fotoana ny fianakavian-dRtoa Kalozafy, ary teo ihany koa ny mpiasa eto anivon’ny Antenimierandoholona.

Laharana faharoa izy tao amin’ny lisitry ny antoko Leader Fanilo ka voatendry ho Loholon’i Madagasikara ny zoma 03 jolay 2020 araka ny didy laharana faha 06-HCC/AR izay navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana.

Ny fanolorana ny samboady dia marika hita maso ho fanomezam-pahefana ny Loholon’i Madagasikara iray sy ho fanehoana ny andraikitra iantsorohany sy ny adidy sakelehiny amin’ny maha Loholon’i Madagasikara azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.