Razanamahasoa Christine: Nanao fanamarihana mikasika ny fomba fiasan’ny Vaomiera Ikambanana Isasahana
- jeudi, 03 septembre 2020 21:48
- Zakaria
- Sary nomena
Nofaranana androany alakamisy 03 septambra 2020 teny amin’ny CCI Ivato ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena, raha nanomboka ny 26 aogositra lasa teo. Nandinihan’ny Vaomiera Ikambanana Isasahana ny Volavolan-dalàna laharana 001/2020 tamin’ny 26 febroary 2020 ity fivoriana ity.
Nanao fanamarihana mikasika ny fomba fiasan’ny Vaomiera ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine tamin’ny lahateny famaranana. Nohazavainy fa tsy mitovy ny fomba fanapahan-kevitra eo amin’ny Vaomiera tsotra sy ny Vaomiera Ikambanana Isasahana.
Raha vaomiera tsotra dia ny hevitry ny maro an’isa no entina manapa-kevitra. Ny Vaomiera Ikambanana Isasahana kosa dia ny marimaritra iraisana na « consensus » no fomba hanapahana ny hevitra.
Sambany moa no niasan’izao Vaomiera Ikambanana Isasahana izao, ary nanambara Razanamahasoa Christine fa voafehy izany noho ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimiera.
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.