Tosika Fameno: “Volan’angatra” hoy ny mpahazo tombontsoa sasany

  • jeudi, 03 septembre 2020 20:50
  • Zakaria
  • Sary fanehoana

“Inona no irarahainao izay volan’angatra any e!?”

Izay no navalin’ny raim-pianakaviana mamo ny vadiny, izay nanontany azy mikasika ny nanaovany ny Tosika Fameno mitentina 100 000 Ariary voarainy.

Volan’angatra no iantsoan’ny mpahazo tombontsoa sasany ny vola fanampiana nozarain’ny fanjakana ho fanampiana ireo sokajin’olona marefo eo anatrehan’ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19.

Tany Moramanga no nivoahan’io fitenenana io, araka ny nambaran’ny Mpitandrina iray nandritra ny fotoam-pivavahana ny alahady lasa teo.

Nampahatsiahy ny tsy fahaiza-mankasitraka ity olom-pinoana ity tamin’izay.

Ho an’ny sasany dia entina miloka sy imamoana ny vola voaray, ary dia rafitra ny adin’ny mpivady rehefa mody any an-trano.

Ny tsy takatry ny sain’ny maro dia, misy ampahany maro, trosa babena ao an-damosin’ny zanaky ny Malagasy manontolo ity esoina ho “volan’angatra” ity.

Balita Raharisoa

(Sary fanehoana)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.