Politique

    • lundi, 23 novembre 2020 08:40
    • Super User
    • Sary nindramina

    Raharam-panjakana : Tsy misy toeran'ny vady eo amin'ny fitondrana firenena

    Matetika isika dia disoana amin'ny hoe ny vadin'ny filoham-pirenena dia Renin'ny Malagasy, dia mandray andraikitra ho an'ny mpiara-belona sy ny Malagasy. Misy aza omena birao sy harifenitra manokana mihitsy. Lazaina fa 1ère dame ny vadin'ny Filoham-pirenena. Ary izay aza no hiantsoana azy maneran-tany. Ny Lalampanorenana dia mazava be fa tsy misy toeran'ny vady na ny kely aza amin'ny fitantanan-draharahan'ny Firenena, tsy misy vola na fitaovana azony ampiasaina, ankoatra ireo tombontsoa natokana ho an'ny Filoham-pirenena sy ny fiahiana ny vady aman-janany ary ny fiarovana azy ireo. Na ny harofenitra ofisialy aza tsy miresaka ny vadin'ny Filoham-pirenena sy ny vadin'ireo mpitondra voafidy na voatendry ambony. Mijanona ho fombafomba ihany izany ny toeran'ny vady. Rehefa misy fety, na misy lanonana dia omena ny toerany kosa izy, tsy miray dia, na fiara, amin'ny Filoha akory aza izy rehefa lanonana ofisialy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 19 novembre 2020 19:29
    • Zakaria

    Fifidianana Loholona : Raikitra ny fampielezan-kevitra

    Nanomboka androany alakamisy 19 novambra tamin’ny 6 ora maraina ny Fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana LOHOLONA, ary hitohy hatramin’ny alarobia 9 desambra amin’ny misasakalina. Hotanterahina ny andron’ny 11 desambra 2020 ny latsabato. Mpifidy vaventy miisa 12 465 manerana ny Nosy no antsoina hanefa ny adidiny amin’izany, izay mitsinjara ho 2 428 ho an’ny Faritany Antananarivo, Antsiranana : 1 414, Fianarantsoa : 3 144, Mahajanga : 1 785, Toamasina : 1 854 ary Toliara : 2 140. Nanamafy ny Tiako I Madagasikara, nandritra ny fivoriany omaly, fa tsy mandray anjara amin’io fifidianana io.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 19 novembre 2020 12:06
    • Super User

    Aoka izay ny ady eo amin'i Ravalomanana sy Rajoelina

    Tsaroanay ianao Papy heritaona lasa nandehananao Aoka izay ny ady eo amin'i Ravalomanana sy Rajoelina Feno herin-taona androany ny nahafatesan'i Zokibe Venance, ny Raiko, Raharimanana Roger Venance.Mpampianatra Tantara sy sosiolojia ary mpampianatra mpikaroka teny amin'ny Oniverité izy.Mpanao politika tao amin'ny Vonjy iray tsy mivaky. Nisedra ny tolona maro tamin'izany sehatra izany. Anisan'ny fotokevitra nijoroany ny fampandrosoana ny faritra, ary nitaky ny fametrahana ny fitantanana ny firenena ao anatin'ny rafitra federaly na ny Etat fédéral izy.Olon'ny fihavanana i Zokibe Venance, tsy tia fanavakavahana nefa kosa nitaky ny fitovian'ny rehetra, indrindra ny faritra rehetra manerana ny Nosy amin'ny fampandrosoana ao aminy.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 18 novembre 2020 09:13
    • Tigre
    • Sary nomena

    Toamasina: Misitraka tetik’asa maro

    Tonga aty Toamasina ny Delegasiona avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy mpikambana amin’ny Governemanta izay tarihin’ny Filoha Andry Nirina RAJOELINA. Eo an-daniny ny fanatrehana ny lalaon’ny ekipam-pirenena BAREA, dia manana fandaharam-potoana mafonja ny Fitondram-panjakana. Dia lanonam-pitokanana sy fitsidihana asa goavana eto an-drenivohitra Betsimisaraka sy ny manodidina :
    Lire la suite ...
    • mercredi, 18 novembre 2020 09:12
    • Tigre
    • Sary nomena

    Toamasina : Fitsidihan’ny Masoivoho Japoney

    Nitsidika an'i Toamasina ny masoivohon'i Japon miasa sy monina eto Madagasikara, son excellence HIGUCHI Yoshihiro, "Ambassadeur extraordinaire et plénipotentiaire". Zava-dehibe ho an'ny tanànan'i Toamasina ary ho an'ny faritra Atsinanana izao fitsidihana ara-pomba ofisialy izao hoy ny Governora RAFIDISON Richard Théodore, raha nandray an'ity olo manan-kaja tao amin'ny birao fiasany, niaraka tamin'Andriamatoa Préfet RAZAFIARISON Jean Jugus sy Andriamatoa Ben'ny Tanana RAKOTONIRINA Nantenaina ary Andriamatoa Sekretera Jeneraly BEMAHEFA Gervais izy ny talata 17 novambra maraina. Voatanisa nandritra ny teny sy hevitra nifanakaloza ireo zava-bita sy tetik'asa idiran'ny fanjakàna Japoney mivantana ato anatin'ny faritra:
    Lire la suite ...
    • mardi, 17 novembre 2020 21:53
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Antenimierandoholona : Miezaka hatrany hamita ny asa na tsy nomena vola aza

    Nanatontosa fivoriana azon’ny besinimaro natrehina ny Loholon'i Madagasikara ny talata 17 novambra 2020. Fivoriana nentina nifanankalozana ny mahakasika ireo raharaha anatiny eo anivon’ny Antenimierandoholona. Lahadinika tamin’izany ny momba ny fitantanana ny tetibolan’ny Antenimierandoholona sy ny ho fizotr’izao fivoriana ara-potoana faharoa izao. Nandritra io fotoana io no nanaovan’ny kestiora voalohan’ny Antenimierandoholona Abdirassoul Mourad tatitra fohifohy mahakasika ny fampandehanana sy fitantanana ara-bola eo anivon’ity Andrimpanjakana ity. Nanambarany fa tsy nomena ny ampahan’ny teti-bolan’ny Antemierandoholona izay voafaritra tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola-panjakana nasiam-panitsiana, ary mbola tsy misokatra ny SIGFP hoan’ity Andrimpanjakana ity hatramin’izao.
    Lire la suite ...
    • mardi, 17 novembre 2020 08:42
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Hetsika iraisam-pirenena hoan’ny Faritra : Hiantomboka eto amin’ny Faritra Analamanga ny andiany voalohany

    Hotanterahina ny 26 hatramin’ny 28 novambra ho avy izao ny “Hetsika iraisam-pirenena hoan’ny Faritra”.Andiany voalohany io, ary eto amin’ny Faritra Analamanga no hisantarana azy, izay hatao manoloana ny Lapan’ny Tanàna etsy Analakely-Antananarivo. Ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny no nipoiran’ity Tetik’asa iray lehibe izay ifandrombonany amin’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ary handraisan’ireo ministera maro samihafa anjara sy ny sehatra tsy miankina. Trano eva miisa 70 no handray anjara hampiranty ny mampiavaka an’Analamanga mandritra ny hateloana haharetan’ny hetsika. Hisy ny loabary andasy hiarahana amin’ireo ministera hafa sy ireo mpiara-miombon’antoka. Fotoana izany hifanankalozan-kevitra momba ny fampandrosoana ny faritra Analamanga. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 16 novembre 2020 07:48
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Antenimieram-pirenena : Fitantanana manaraka ny fitsipika ara-bola

    Izay maharitra vadin’andriana. Izay no mahalaza ny tranga misy eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Fahagagana ho an’ny mpitantana ao anatiny ny mahita olona aty ivelan’ny Lapa milaza fa tsy mahaloa karama ity andrimpanjakana ity, mihoatra lavitra izany aza ny fanelezam-baovao hafa milaza, na tsy mamoaka porofo mazava aza, fa misy fanodinkodinam-bola ao. Voafaritra mazava araka ny Lalampanorenana fa Andrim-panjakana ny Antenimieram-pirenena. Izay koa no mitarika fa tsy maintsy manaraka ny fitsipika ny fitantanam-bolam-panjakana ny fikirakirana vola, fa tsy misy vola mandehandeha na mivoaboaka ho azy. Misy ny dingana samihafa arahina amin’ny fahazoam-bola, ary ialohavana fanamarinana ataon’ny fanjakana ihany koa vao misy fivoaham-bola. Mety handany fotoana izany. Ary misy ihany koa ny fanamarinana avy amin'ny mpitantam-bola hafa indray aorian'ny fandaniana, contrôle à priori ataon'ny contrôle financier alohan'ny fandaniana, ary contrôle posteriori ataon'ny Trésor rehefa handray vola. Etsy andaniny dia ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola no mamaritra ny vola iasana sy ihodinana ary andoavana karama sy tambinkarama samihafa, eny amin’ny Antenimieram-pirenena.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 novembre 2020 17:45
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Didier Ratsiraka : Manao antso avo ho fanairana ny isam-batan'olona sy ny Malagasy

    Nanao fanambarana miendrika antso avo tao amin’ny pejy facebook ny filoham-pirenenan'i Madagasikara teo aloha Didier Ratsiraka, manoloana ny trangan-javatra miseho manodidina ny baolina kitra sy ny fahasalamam-bahoaka. Indro averina eto manontolo izany : « Amin’ny maha zoky ray amandreny ny tenanay, amin’ny maha mpilalao iraisam-pirenena tao amin’ny Ekipa malagasy teo amin'ny sehatry ny baolina kitra ny tena, ary amin’ny maha filoham-pirenenan'i Madagasikara teo aloha anay, dia toa mahatsiaro tena manana andraikitra sy adidy ihany noho ny trangan-javatra misy. Koa, manao izao antso avo izao ho fanairana ny isam-batan'olona sy isika Malagasy rehetra tsy vaky volo ny tenako, satria mbola mitoetra eto amintsika mandrak'androany ny valan'aretina corona virus.
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 novembre 2020 11:22
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Antsirabe : Hanao tatitra amin’ny Vahoaka ireo Parlemantera avy amin’ny fanoherana

    Hihaona amin’ny vahoakan’Antsibe ao amin’ny Magro Avaratsena ireo Parlemantera avy amin’ny fanoherana, hotronin’ny vondrona Panorama sy ny RMDM. Ity sabotsy 14 novambra ity no nambaran’izy ireo fa andro hihaonana, hanaovana tatitra ny zava-misy mikasika ny fiainam-pirenena sy ny fitantanan-draharaha, ny fanarahan-dalàna, ny sosialim-bahoaka, ny manodidina ny Covid-19… Ny hita dia efa miatrana, misakana ny lalana miazo ny toerana kasain’ireto Parlemantera ireto hanaovana tatitra ny mpitandro ny filaminana hatry ny maraina teo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 10 sur 150