Politique

    • vendredi, 04 décembre 2020 19:08
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Fitsarana : Nifarana andoany ny fiofanan’ny lehiben’ireo mpirakidraharaha

    Nifarana androany zoma faha-4 desambra ny fiofanan’ireo lehiben’ny mpirakidraharaha (greffier en chef) rehetra manerana ny nosy. Miopana amin’ny fitantanana ny taokaonty eo anivon’ny lehiben’ny firaketandraharaham-pitsarana sy ny fotokevim-panatanterahana ny didim-pitsarana (la comptabilité des greffes et le principe exécutoire des décisions judiciaires) ny fiofanana. Nanomboka ny talata voalohan’ny volana teo ity fiofanana izay notontosaina tao amin’ny Sekolim-pirenerena ho an’ny mpitsara sy ny mpirakidraharaha (ENMG) ao Tsaralalàna, Antananarivo, ity.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 04 décembre 2020 17:48
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Tafika Malagasy : Manao tatitra ankapobeny ho an’ny taona 2020

    Manatanteraka fihaonambe mandritra ny roa andro, anaovana tatitra ankapobeny ho an’ny taona 2020, eny Ambatomirahavavy, ny Tafika Malagasy. Tonga teny an-toerana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian, izay nanamafy fa ny “famerenana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ao anatin’ny fotoana fohy no vina voalohany. Manatràtra izany tanjona izany isika ka manana fanamby betsaka ny firenena amin’izao fotoana izao, ary izao vaninandro izao dia mitaky Tafika manakaiky vahoaka”, hoy izy. Voalohany amin’izany fanamby izany ny fiandrianam-pirenena, izay adidy masina iantsorohan’ny Tafika Malagasy eo amin’ny tanindrazana. Ny fanajàna ny rafitra sy ny andrim-panjakana misy hoy ny Praiminisitra, no ahafahana mitazona ny fiandrianam-pirenena. Ny faharoa dia ny anjara andraikitra eo amin’ny fametrahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Nambarany fa raha atao jery todika ny tamin’ny roa taona lasa dia mbola nanjaka ny asan-jiolahy maro isan-karazany sy ny tsy fandriampahalemana.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 04 décembre 2020 17:24
    • Zakaria
    • Sary Gasypatriote sy sary nomena

    Haino aman-jery : Notokanana ny fanavaozana foto-drafitrasa ao amin'ny ORTM

    Notanterahina ny alakamisy 3 desambra 2020 ny lanonana nanolorana ny asa fanarenana sy fanavaozana natao teo anivon’ny ORTM, izay rantsamangaikan’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. « Manova ny tantaran’ny firenena isika », hoy ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian ka « mandray anjara amin’izany tanjona lehibe izany ny sampandraharaha ara-panjakana rehetra ». Izay indrindra no antony nitondrana fanavaozana eo anivon’ny haino aman-jerim-panjakana, ka namboarina sy nohatsaraina ny eto amin’ny foibe ORTM, toy ny birao maro, nampiana ihany koa ny trano famokarana, ary nohatsaraina ny kalitaon’ny feo eo anivon’ny RNM. « Andrarezin’ny haino aman-jery eto amin’ny firenena ny TVM sy RNM ; mba hahatongavana amin’izany anefa dia mila fanovàna ny fomba fisainana, mila atao mby an-tsaina lalandava fa ny fananam-panjakana dia fananam-bahoaka », hoy ny Praiminisitra.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 04 décembre 2020 07:47
    • Zakaria

    Fiainana antoko : Hiatrika kongresy nasionaly ny Antoko Politika Madio

    Hotanterahina ao Toamasina ny sabotsy ho avy izao 5 desambra 2020 ny kongresy nasionalin’ny Antoko Politika Madio na APM. Voafaritry ny Andininy faha-18 amin’ny lalàna 2011-012 fa voafafa tsy ho ao anaty lisitra ireo antoko tsy manao kongresy ao anatin'ny 5 taona. Fotoan-dehibe hamaritana ny làlana hizorana, ny foto-kevitra ary fifidianana ny birao hitantana ny antoko ho an'ny dimy taona manaraka. Velona sy miaina ary mandray anjara amin'ny raharaham-pirenena ny APM, hoy Rakotoarisoa Faniry Alban, filohany. Hiatrika fifidianana indray isika afaka telo taona, hoy ity farany. Handray anjara ny APM ka tsy hilefitra amin'ireo tsy tomombana rehetra teo aloha toy ny «doublons» sy ny lalàna mifehy ny fifidianana.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 novembre 2020 09:57
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Volavolan-dalàna mifehy ny teti-bola 2021 : Nolanian’ny Solombavambahoaka tamin’ny endriny nasiam-panitsiana

    Nolanian’ireo Solombavambahoaka ny alin’ny zoma 27 novambra 2020 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2021. Rehefa avy nodinihin’ny vaomieran’ny ara-bola sy ny teti-bola nandritra ny andro vitsivitsy dia nentina teo amin’ny fivoriambe azon’ny besinimaro atrehina ary nolaniana tamin’ny endriny nasiam-panitsiana. Solombavam-bahoaka miisa 97 tonga nanatrika ny fivoriam-be teny amin’ny Antenimieram-pirenena no nandany ny volavolan-dalàna laharana 016/2020 mifehy ny teti-bolam-panjakana 2021 rehefa nasiam-panitsiana. Raha ny voarakitra ao anatin'ity lalàna ity dia tombanana ho 4,5% ny tahan'ny fitombon'ny harin-karena faobe ho an'ny taona 2021. Nitondran’ny Solombavam-bahoaka fanintsiana ny mahakasika ny fanafoanana ny hetra alaina amin'ny tataom-bidy (TVA) eo amin’ny famarotana volamena ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Izany no natao dia mba ho fanamafisana ny fananganana ny tahirin’ny volamena ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 novembre 2020 20:03
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Etazonia : Niarahaba an’i Joe Biden amin’ny nahavoafidy azy ho filoha i Xi Jinping fa hifanaja

    Nandefa taratasy fiarahabana an’i Joe Biden, ny 25 novambra 2020, amin’ny nahavoafidy azy ho filohan’i Etazonia ny filohan’i Chine, Xi Jinping. Tokony halavirina ny ady na koa fifanandrinana hoy i Xi Jinping tamin’ny taratasiny, fa hifanaja anatin’ny fiaraha-miasa mba samy hahazo tombontsoa hahafahana mahita fandriampahalemana sy fampandrosoana.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 novembre 2020 17:06
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Analamanga : Nisantarana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Faritra

    Nankalazaina ny Alakamisy 26 novambra 2020, teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Faritra. Notsiahivin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, izay nanome voninahitra ny lanonana, fa mpikambana ao anatin’ny Vondrona Afrikana i Madagasikara, ary ny fototra iorenan’izany Vondrona izany dia mametraka antsika ao anatin’ny lalantsaina goavana hidirantsika amin’ny fitsinjaram-pahefana. Efa napetraka, hoy ny Lehiben’ny governemanta, ny fototra hanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana, ary zavatra telo no natao tamin’izany. Fametrahana fomba fiasa amin’ny alalan’ny fanomezana fahefana ireo governoram-paritra handray andraikitra avy hatrany amin’ny famahana ny olana eny ifotony manoloana ny fahataran’ny fampandrosoana, fa tsy voatery hiandry ny fitondrana foibe ; izy ireo rahateo no tena mahafantatra ny olana misy any amin’ny Faritra nanendrena azy ireo. Taratry ny finiavana hiroso amin’ny fitsinjaram-pahefana izany, hoy ihany ny Praiminisitra.
    Lire la suite ...
    • mardi, 24 novembre 2020 13:43
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Marc Ravalomanana : “Tsy laharampahamehan’ny mpitondra ny tantsaha”

    Mitaraina ny ankamaroan’ny tantsaha any Soavinandriana Itasy fa tsy misy ny fanohanana na ny fanampiana azy ireo. Misondrotra be ny vidim-piainana ka na ny vidin’ny vary aza dia mila ho tsy zakan’izy ireo intsony. Nidina tany an-toerana, ary “nahita maso izany aho”, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. “Rehefa nojereko, hoy ity farany, ny tetibolam-panjakana amin’iny taona 2021 iny na ny LFI 2021, dia hita taratra fa mbola tsy hisy mihitsy izany fanohanana ny tantsaha izany. Ny tetibolan’ny ministeran’ny fambolena aza nihena 12,70% be izao raha ampitahana tamin’ny LFR 2020 teo”, araka ny fanamarihana nataony.
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 novembre 2020 11:39
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Centre du Jour- Mahazoarivo : Nahazo fampitaovana hiofanan’ny ankizy

    Nisitraka fanomezana avy amin'ny anaran'ny antoko Freedom ireo ankizy sahirana karakarain'ny Centre du Jour, an'ny S.O.S Village d'Enfants eo Mahazoarivo-Antsirabe. Ny Alahady 22 novambra no nanalorana izany, notarihin-dRtoa Rakotondrazafy Lalatiana, filohan'ny antoko. Fitaovana ahafahan'ireo zatovo manampy azy amin'ny fiofanana arak'asa ataony ireto natolotra ireto, toy ny milina fanjairana ho an'ireo zatovovavy, fitaovana ho an'ny fanorenana sy fandrafetana kosa ho an'ny zatovolahy. Nambaran'ny Dr Aimé Joachin, Talen'ny toby fa manampy be ireo ankizy tezaina ny fahazoana ireo fitaovana ireo. Ankizy miisa 150 no ao amin’ity toby ity, ary mpampianatra sy tompon'andraikitra ara-tsosialy miisa 11 no miahy sy manabe azy ireo, izay tsy kilasy mandry akory fa mianatra ivelan'ny Toby. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 novembre 2020 09:38
    • Super User
    • Sary nindramina

    EPP Ambodimanga Vohémar

    Io edy raha nikoragniko aminandre SAVA agny ein. Haiko andre efa nagnefa latety tamin'ny fanjakana, taxe et TVA, fa na andre manery fanjakana nagnifanareo latety hagnamboatra lékolinandre, na amboara lékoly hianaran'ny zanakandre, lavanio 10kg fo efa mahavita izy ndreo, mba tsy mipaka amin'ny gôdra zanakandre. Ny ndry havatsika kony lekolin'ny zanakandreo manarapenitry ein. Mifohaza hely fa matôro.Patrick (Sary nindramina EPP AMBODIMANGA BELAMBO DISTRICT VOHEMAR, RÉGION SAVA)
    Lire la suite ...
Page 9 sur 150