Politique

    • lundi, 21 décembre 2020 15:12
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Ntsay Christian : Mbola maro ireo fanavaozana tsy maintsy atao eto

    Notanterahana teto amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe, ny 19 desambra 2020, ny Filankevitry ny governemanta ho tohin’ny fivoriana fanao isan-kerinandro ao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ka nandinihana ireo raharaham-pirenena tsy afa-miandry, izay notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Nambaran’ny Praiminisitra fa na dia amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao aza dia mbola maro ireo fanavaozana maro isan-karazany tsy maintsy atao eto amin’ny tany sy ny fanjakana, ary ilàna fandinihana sy famakafakana lalina ary fotoana ka izay no anton’izao fivoriana eto amin’ny Akademia Miaramila izao.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 décembre 2020 16:51
    • Zakaria
    • Tahirin-tsary

    Mahery Lanto Manandafy : Voaheloka higadra 12 volana an-tranomaizina, narahina didy fampisamborana

    Notsaraina tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina androany ny raharaha nitorian’ny senatera Harisson Benesy an’i Mahery Lanto Manandafy, taorian’ny namoahan’ity farany vaovao diso tamin’ny facebook nilaza fahafatesana fianakaviana akaiky ny mpitory. Samy tsy nisy tonga niatrika ny fotoam-pitsarana androany na ny mpitory na ny toriana. Ny « ministère public » na ny fanjakana no mpanenjika rehefa tonga eo anivon’ny Fampanoavana ny raharaha, amin’ny tranga toy itony, ka na tsy tonga aza ny mpitory dia tsy misakana ny fitsarana tsy handeha fa ny olona toriana no tokony tonga mba hiaro ny tenany, indrindra raha manana mpisolovava izy. Nivoaka ny didim-pitsarana ; 12 volana sazy mihatra amin’i Mahery Lanto Manandafy, narahina famoahana didy fampisamborana azy. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny fiarovana azy dia hanao fanoherana an’ity didy nivoaka ity ny voampanga.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 décembre 2020 15:20
    • Zakaria

    Nosy Malagasy : Niantso ny firaisankinan’ny Malagasy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy

    « Mitohy ny fitakiana ny Nosy Malagasy manodidina ary mailo hatrany ny Fitondram-panjakana malagasy sy ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny ». Izany no nambaran’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Dr Tehindrazanarivelo Djacoba A.S. Oliva raha namaly ny fanontaniana avy amin’ny Solombavambahoaka izy, nandritra ny fihaonan’ny Governemanta tamin’ny Antenimieram-pirenena, ny talata 15 desambra 2020. Tokony ho tanterahina any Frantsa ny fihaonana faharoan’ny “Commission mixte”, izay hanohizana ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta mikasika ireo Nosy ireo, raha natao teto Madagasikara ny fihaonana voalohany tamin’ny 18 novambra 2019. Miandry ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana any Frantsa, manodidina ny valan’aretina Coronavirus, ny fanatanterahana an’izany dingana faharoa izany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 décembre 2020 20:23
    • Zakaria

    Antenimierandoholona : Nandany ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola-panjakana

    Nankatoavin’ny teto anivon’ny Antenimierandoholona, androany Alarobia 16 desambra 2020, ny volavolan-dalàna laharana faha 016/2020 tamin’ny 30 oktobra 2020 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola-panjakana ho amin’ny taona 2021, niaraka tamin’ny fanitsiana natolotry ny teny anivon’ny Antemieram-pirenena, rehefa nandalo fandinihana fanindroany teto anivon’izany Andrimpanjakana izany. Nambaran’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao fa « hita taratra tamin’ny fandaniana ity lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2021 fa lapan’ny demokrasia tokoa ny eto anivon’ny Antenimierandoholona satria na misy aza ny tsy fitovian-kevitra dia nizotra tamim-pilaminana sy nanaja ny hevitra lanin’ny maro an’isa ny fandaniana izany, ary ny fikatsahana ny tombotsoan’ny firenena no tanjona ».  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 décembre 2020 19:32
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Diplaomasia : Eo anilan'i Madagasikara hatrany i Korea Atsimo

    Tonga nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa sy honina eto Madagasikara tamin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny masoivoho vaovaon'i Korea Atsimo, Son Yong-ho, androany 16 desambra 2020. Nandritra ny lanonana izay notanterahina teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha no nanambaran'ity ambasadaoro vaovao ity fa « mijoro eo anilan'i Madagasikara hatrany i Korea Atsimo ary hanohy ireo tetikasa efa misy sy hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta ». (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 décembre 2020 13:05
    • Balita
    • Sary nindramina

    Hetsika “Anjara hetrako” : Midina ifotony ny mpiasan’ny famorian-ketra

    Mpandraharaha, mpivarotra, mpamboly, mpiompy, mpanao asa tanana... no anisan’ireo sokajin’olona kinendrin’ny hetsika "Anjara hetrako ho fampandrosoana ny tanàna". Midina eny ifotony, araka ny efa nambaran’ny minisitry ny toekarena sy ny vola Randriamandranto Richard, ny mpiasan’ny famorian-ketra araka ny hita teny Ambohimangakely ny tontolo andron’ny talata faha-15 desambra. Hitohy any Ambohimirary, Ambodivoara ary Ambohimalaza, izay samy ao anatin’ny faritra iandraiketan’ny ivon-ketra ao Ambohimangakely ny hetsika mandritra ity herinandro ity. Natao hanamorana ny fahazoana ny karatra fandoavanketra ny hetsika, izay maharitra roa volana any amin’ny faritra sy ny distrika samihafa.
    Lire la suite ...
    • mardi, 15 décembre 2020 21:41
    • Zakaria
    • Sary : Antenimierandoholona

    « Doublons » tamin’ny lisi-pifidianana : Miroso ny fanadihadiana ataon’ny eo anivon’ny Antenimierandoholona

    Nandray ireo avy ao amin’ny KMF/CNOE sy ny firaisamonim-pirenena ROHY ary ny avy ao amin’ny “Imprimérie nationale” ny Vaomiera misahana ny fanadihadiana eto anivon’ny Antenimierandoholona androany talata 15 desambra 2020. Nandinika manokana ny mahakasika ny fisian’ny « doublons » tamin’ny lisi-pifidianana nandritra ny fifidianana notanterahina teto Madagasikara teo. Nomarihin’ny Loholon’i Madagasikara Rakotovazaha Olivier, fa mialoha ny tena hifaranan’ny fotoam-piasan’izy ireo dia ezahina vitaina ny fandaharam-potoana rehetra mahakasika ny fanadihadiana atao ka hatolotra ny Filohan’ny Antenimierandoholona sy hampafantarina ny Vahoaka amin’ny alalan’ny gazetim-panjakana ny valiny rehetra, araka ny voalazan’ny lalàna sy ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierandoholona.    
    Lire la suite ...
    • mardi, 15 décembre 2020 13:18
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Fanjarian-tsakafo any atsimo sy atsimo atsinanana : Nanome 100 tapitrisa dolara ny governemanta amerikana

    Misy tetikasa vaovao telo vatsian'ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) vola ka itondran’i Etazonia 100 tapitrisa dolara fanampiny hiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Amin'ny alàlan'ireo tetikasa ireo ny governemanta amerikana no hiara-miasa akaiky amin'ny fanjakana malagasy ka hamaly ny filana maikan’ireo fianakaviana tratry ny hanoanana, ary hitondra vahaolana maharitra ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo sy atsimo atsinanan’ny Nosy. Ny tetikasa Firangà an'ny USAID dia hitondra fanampiana vonjy maika mitentina 10 tapitrisa dolara ho an'ny mponina maherin’ny 222 000 any amin'ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy izay tena voa mafy. Ity tetikasa ity dia hitsabo ihany koa ny vokatry ny tsy fahampian-tsakafo eo amin'ny zaza latsaky ny dimy taona. Ny Catholic Relief Services no hanatanteraka ny tetikasa Firangà.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 13 décembre 2020 12:57
    • Zakaria
    • Photos Fournies

    Lutte contre le Kere dans le Sud : Madagascar a besoin de 60 millions de dollars

    Après un premier entretien organisé le 19 novembre dernier, le Président de la République Andry Rajoelina a de nouveau tenu une réunion avec les partenaires techniques et financiers ce vendredi 11 décembre 2020. La stratégie d'opérationnalisation des solutions d’urgence identifiées en vue d’éradiquer le fléau de la famine qui sévit dans la partie Sud de Madagascar a été à l’ordre du jour. Cette nouvelle réunion a déjà été précédée d’une concertation entre les PTF, les ministres concernés, ainsi que les organismes tels que la Banque Mondiale, l'Union Européenne, l'UNICEF, le Programme alimentaire mondiale et le BNGRC. La rencontre s’est penchée sur la présentation de données chiffrées qui viennent d’être mises à jour et ce, afin de pallier toute déperdition dans l’utilisation des ressources matérielles et financières.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 13 décembre 2020 12:43
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Ambasadaoro Michael P. Pelletier : Nanao tombana ny fizotran’ny fanampiana omen’ny governemanta amerikana any atsimo

    Nitsidika ireo distrika efatra tena ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon’i Madagasikara ny Ambasadaoro Amerikana Michael P. Pelletier sy ny Tale Jeneralin’ny USAID John Dunlop, mba hanao tombana ny fizotran’ny fanampiana hiatrehana ny hamehana omen’ny governemanta amerikana. Tamin’ny volana Jolay dia nanome fanampiana ara-tsakafo 8 330 taonina ny governemanta amerikana, tamin’ny alalan’ny USAID, mba hamaliana ny filàna ara-tsakafon’ireo olona maherin’ny 350 000, anisan’izany ireo vehivavy bevohoka sy mampinono miisa 20 500. Ny volana Oktobra indray dia famatsiam-bola fanampiny mitentina 2,5 tapitrisa dolara no nomen’ny governemanta amerikana ny World Food Programme (WFP) sy ny UNICEF mba hitsaboana ireo zaza latsaky ny 5 taona miisa 64 000 ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo antonony sy mahery vaika. Ny distrikan’Ampanihy, Tsihombe, Ambovombe, ary Amboasary no notsidihan’ny Ambasadaoro Pelletier sy ny Tale Jeneralin’ny USAID Dunlop, ka nihainoany mivantana ny feon’ireo mponina nandray ny fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny governemanta amerikana.
    Lire la suite ...
Page 7 sur 151