Politique

    • dimanche, 27 décembre 2020 11:42
    • Zakaria

    MFM : 48 taona nijoroana

    27 desambra 1972 - 27 desambra 2020, feno 48 taona katroka amin'ity anio ity ny antoko MFM. Banga ny toeran'ny filoha nasionalin'ny antoko taorian'ny nahafatesan'i Manandafy Rakotonirina ny 25 Marsa 2019. Ity farany izay niara-nanorina ny MFM niaraka tamin'i Germain Rakotonirainy na Lynx.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 26 décembre 2020 18:36
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Ankilibory - Ampanihy Andrefana : Nisitraka fanampiana avy amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny mponina

    Tonga ary nozaraina tamin’ireo mpiray tanindrazana ianjadian’ny tsy fanjariantsakafo ao Ankilibory, Distrika Ampanihy Andrefana ireo fanampiana avy amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, sy ireo fanomezana azony tamin'ny 12 desambra, nankalazana ny nitsengerenan'ny taona nahaterahany. Mifanojo indrindra amin’ny fankalazana ny Krismasy 2020, ny tolotanana. « Fanehoana ny firainsankina ho an'ireo havantsika hianjadin'ny Kere no zava-dehibe indrindra satria dia ny vahaolana maharitra no tokony hisy mba tsy hiverimberina intsony izao toe-javatra mampalahelo loatra ho an'ny mpiray Tanindrazana izao », hoy i Marc Ravalomanana.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 décembre 2020 18:58
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Hery Rajaonarimampianina : « Raiso ny andraikitra manandrify anao !»

    Nitafa tamin’ny vahoaka Malagasy tamin’ny alalan’ny horanantsary fohy ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, avy any Frantsa, nirary soa sy nampahery ny Malagasy mba tsy ho kivy amin’izao ankatoky ny krismasy sy ny fitsenana ny taona vaovao izao. Sivy volana aty aorian’ny nitafany farany ny Marsa 2020 no nilazany fa fotoana handinihan-tena izao. Mila toe-tsain’ny fisandratana, fiovana ary fanovana. Koa raiso ny andraikitra manandrify anao, hoy izy !  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 décembre 2020 15:30
    • Zakaria

    Fifidianana Loholona : Nanao pao-droa ny IRMAR tamin’ny faritany efatra

    Toerana Loholona miisa folo amin’ireo roa ambin’ny folo nofidian’ireo mpifidy vaventy, no azon’ny IRMAR (Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina), nahazo toerana roa kosa ny MMM (Malagasy Miara Miainga). Nivoitra ireo nandritra ny tatitra ny vokatra vonjimaika tamin’ny fifidianana Loholon’i Madagasikara ny 11 desambra 2020, nataon’ny CENI ny alarobia 23 desambra 2020. Nanao pao-droa ny IRMAR tamin’ny faritany efatra, ankoatra an’i Toamasina sy Antananarivo, izay nahazoan’ny MMM toerana iray avy. Tamin’ireo mpifidy vaventy miisa 12 465 voasoratra ao anaty lisi-pifidianana, 11 642 no nandray anjara tamin’ny fifidianana. Tao amin’ny Distrikan’i Miandrivazo sy i Morombe no voalaza fa nisy fandikan-dalàna tamin’ny fifidianana, ka nisarihan’ny CENI ny sain’ny Fitsarana mahefa.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 23 décembre 2020 07:42
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Jean Aimé Rambeloson : Filoha mpanatanteraky ny vaomiera Itambarana miandraikitra ny fanaovana ny Karatra ho an’ny Mpanao Gazety

    Nihaona voalohany tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ireo mpikambana ao amin’ny Vaomiera Itambarana miandraikitra ny fanaovana ny Karatra ho an’ny Mpanao Gazety matihanina, ny Talata 22 Desambra 2020. Natomboka tamin’ny fifidianana izay ho filoha mpanatanteraky ny vaomiera ny fivoriana, ka i Jean Aimé Rambeloson, avy amin’ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety Zokiolona (CJD) no voafidy tamin’izany.
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 décembre 2020 17:44
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Antenimieram-pirenena : Mpiasa 15 mianadahy handeha hisotro ronono

    Nanokana fotoana hisaorana ireo mpiasa handeha hisotro ronono amin’ity taona 2020 ity ny Antenimieram-pirenena. Notanterahina teny Tsimbazaza, ny 21 desambra 2020, izany. Naneho ny fankasitrahana ny asa vita rehetra ny Filoha Lefitra Razafitsiandraofa Jean Brunelle sy ny Sekretera Jeneraly Randriamahafanjary Calvin, ary nitsodrano azy ireo amin’izay adidy hafa mbola miandry. Ny nisolo tena ireo handeha hisotro ronono kosa dia nanentana ireo mbola am-perin’asa hazoto hanatanteraka sy hanaja ny asa. Nisy ny fanolorana takelaka mari-pankasitrahana sy fanomezana ho an’ireo 15 mianadahy mianaka ho mari-pahatsiarovana.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 décembre 2020 15:12
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Ntsay Christian : Mbola maro ireo fanavaozana tsy maintsy atao eto

    Notanterahana teto amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe, ny 19 desambra 2020, ny Filankevitry ny governemanta ho tohin’ny fivoriana fanao isan-kerinandro ao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ka nandinihana ireo raharaham-pirenena tsy afa-miandry, izay notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Nambaran’ny Praiminisitra fa na dia amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao aza dia mbola maro ireo fanavaozana maro isan-karazany tsy maintsy atao eto amin’ny tany sy ny fanjakana, ary ilàna fandinihana sy famakafakana lalina ary fotoana ka izay no anton’izao fivoriana eto amin’ny Akademia Miaramila izao.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 décembre 2020 16:51
    • Zakaria
    • Tahirin-tsary

    Mahery Lanto Manandafy : Voaheloka higadra 12 volana an-tranomaizina, narahina didy fampisamborana

    Notsaraina tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina androany ny raharaha nitorian’ny senatera Harisson Benesy an’i Mahery Lanto Manandafy, taorian’ny namoahan’ity farany vaovao diso tamin’ny facebook nilaza fahafatesana fianakaviana akaiky ny mpitory. Samy tsy nisy tonga niatrika ny fotoam-pitsarana androany na ny mpitory na ny toriana. Ny « ministère public » na ny fanjakana no mpanenjika rehefa tonga eo anivon’ny Fampanoavana ny raharaha, amin’ny tranga toy itony, ka na tsy tonga aza ny mpitory dia tsy misakana ny fitsarana tsy handeha fa ny olona toriana no tokony tonga mba hiaro ny tenany, indrindra raha manana mpisolovava izy. Nivoaka ny didim-pitsarana ; 12 volana sazy mihatra amin’i Mahery Lanto Manandafy, narahina famoahana didy fampisamborana azy. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny fiarovana azy dia hanao fanoherana an’ity didy nivoaka ity ny voampanga.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 décembre 2020 15:20
    • Zakaria

    Nosy Malagasy : Niantso ny firaisankinan’ny Malagasy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy

    « Mitohy ny fitakiana ny Nosy Malagasy manodidina ary mailo hatrany ny Fitondram-panjakana malagasy sy ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny ». Izany no nambaran’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Dr Tehindrazanarivelo Djacoba A.S. Oliva raha namaly ny fanontaniana avy amin’ny Solombavambahoaka izy, nandritra ny fihaonan’ny Governemanta tamin’ny Antenimieram-pirenena, ny talata 15 desambra 2020. Tokony ho tanterahina any Frantsa ny fihaonana faharoan’ny “Commission mixte”, izay hanohizana ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta mikasika ireo Nosy ireo, raha natao teto Madagasikara ny fihaonana voalohany tamin’ny 18 novambra 2019. Miandry ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana any Frantsa, manodidina ny valan’aretina Coronavirus, ny fanatanterahana an’izany dingana faharoa izany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 décembre 2020 20:23
    • Zakaria

    Antenimierandoholona : Nandany ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola-panjakana

    Nankatoavin’ny teto anivon’ny Antenimierandoholona, androany Alarobia 16 desambra 2020, ny volavolan-dalàna laharana faha 016/2020 tamin’ny 30 oktobra 2020 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola-panjakana ho amin’ny taona 2021, niaraka tamin’ny fanitsiana natolotry ny teny anivon’ny Antemieram-pirenena, rehefa nandalo fandinihana fanindroany teto anivon’izany Andrimpanjakana izany. Nambaran’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao fa « hita taratra tamin’ny fandaniana ity lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2021 fa lapan’ny demokrasia tokoa ny eto anivon’ny Antenimierandoholona satria na misy aza ny tsy fitovian-kevitra dia nizotra tamim-pilaminana sy nanaja ny hevitra lanin’ny maro an’isa ny fandaniana izany, ary ny fikatsahana ny tombotsoan’ny firenena no tanjona ».  
    Lire la suite ...
Page 6 sur 150