Politique

    • jeudi, 14 janvier 2021 13:02
    • Zakaria

    Ihosy : Mong Mann Bismark Jean no depiote vaovao

    Namoaka ny didy (Arrêt n°03-HCC/AR) ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny 12 janoary 2021 mamaritra ny fahabangan-toerana sy manolo ny depiote Ihosy, Faritra Ihorombe taorian’ny nahavoafidy ho Senatera ny tompon-toerana, Rakotomamonjy Neypatraiky André. Araka io didy io dia i Mong Mann Bismark, mpisolotoerana avy amin’ny lisitra «Indépendant Patraiky Managnandro» tao amin’ny fari-pifidianana Ihosy, no handray ny toeran’ny solombavambahoaka Ihosy Faritra Ihorombe ao amin’ny Antenimieram-pirenena.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 janvier 2021 12:57
    • Zakaria

    Karinem-pokontany : Hisy fokontany “pilotes” hanombohana azy ao Antananarivo Renivohitra

    Hivoaka mialoha ny faran’ny volana ny ampahany amin’ny karinem-pokontany vaovao, araka ny fampitam-baovao ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 13 janoary 2021. Tsy voafaritra mazava moa na volana janoary diavina io na aoriana. Hisy ireo fokontany “pilotes” hanombohana izany ao anatin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Fiaraha-miasa eo anivon’ny sampan-draharaha eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika na ny PREA, ny Kaominina sy ny ministeran’ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana ary ireo ministera isan-tokony izay nifandrimbona nanao ny fanisana isan-tokantrano ny taona lasa no hoentina manatanteraka izany. Tsy maintsy manana karinem-pokontany ny tokantrano rehetra manerana an’i Madagasikara rehefa manao raharaha ara-panjakana hahafahana mandrindra sy mandamina ary mamaly ny filàn’ny mponina, indrindra eny aminy biraom-panjakana.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 12 janvier 2021 19:47
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Andron'ny manamboninahitra : Semban-drahona ny fankalazana tamin'ity taona ity

    Nandray anjara tamin'ny fankalazana ny Andron'ny Manamboninahitra niaraka tamin'ny Vondrona Mpiaro ny Filoha eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, androany 12 janoary 2021. Semban-drahona ny fankalazana tamin'ity taona ity noho ny fahalasanan'ny lehiben'ny Etamajaorin'ny Tafika anabakabaka, ny Général de Brigade Aérienne Radona Ellis Ratiarivelo, izay nodimandry ny 11 janoary 2021.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 janvier 2021 15:11
    • Tigre
    • Sary nindramina

    Politika : Mbola samy te hilatsaka ho fidiana 2023

    Raha ny tsilian-tsofina etsy sy eroa, dia samy mbola te hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena amin'ny 2023 i Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina ary Andry Rajoelina. Samy milaza te hamonjy ny firenena Malagasy avokoa.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 janvier 2021 14:12
    • Tigre
    • Sary nindramina

    Amerika : Manomboka ialan'ny namany i Donald Trump

    Taorian'ny fanentanan'i Filoha am-perinasa Donald Trump ireo mpomba azy tsy hanaiky ny vokam-pifidianana ho filoham-pirenena amerikanina, ary nanentanany ny akana ny Capitole, foiben'ny fahefana amerikanina izay misy ny Kongresy, dia nirohitra niditra nanao amboletra, nandritra ny fivorian'ny Kongresy, ny solombavam-bahoaka sy ny senatera amerikanina, izay mivory manamarina ny vokam-pifidianana, ireo mpanohana an'i Donald Trump. Navoaka aingana tao amin'ny efitra fivoriana ireo mpikambana ao amin'ny Kongresy, nisy ny famakiana fitaratra, fanimbana ireo birao sasany, fiakarana teny amin'ny toerana natokana ho an'ny filohan'ny andrim-panjakana, fanaovana zinona ny toerana. Nisy ny lakrimozenina nirefotra, ary nisy ny maty vokatry ny tifitra. Tsy nanaiky ny anakanana ny fanamarinana ny fifidianana anefa ny filoha lefitra amerikanina Mike Pence, izay samy Repoblikanina toa an'i Donald Trump ihany koa, na dia efa nentaniny tsy hanao izany fombafomba fanamarinana izany. Maro koa ireo senatera tsy nanaiky izao toetra nasehon'i Donald Trump izao.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 janvier 2021 19:38
    • Zakaria
    • Sary Njaka

    Fifidianana Loholona : Vehivavy ny iray amin’ireo 12 voafidy, toerana roa an’ny MMM

    Ifampizaran’ny vovonana politika IRMAR (Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina) sy ny MMM (Malagasy Miara-Miainga) ireo toerana miisa 12, ho an’ireo Loholona nofidian’ny mpifidy vaventy ny 11 desambra 2020. Toerana 10 ho an’ny IRMAR ary 2 ny an’ny MMM.Vehivavy ny iray tamin’ireo 12 voafidy, lohalisitra MMM voafidy tao amin’ny Faritany Toamasina. Ireto avy ireo Loholona voafidy isam-paritany, handrafitra ny roa ampahatelon’ny Antenimierandoholona, araka ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana androany alakamisy 7 janoary 2021 :
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 janvier 2021 11:19
    • Zakaria

    Antananarivo Renivohitra : Hafindra eny Analamahitsy na Androhibe ny birao ho an’ny Boriboritany fahadimy

    Hisy tetik’asa lehibe amin’ny fanoloana ny solosaina sy ireo “logiciel” hanafainganana ny asa manerana ny Boriboritany enina eto Antananarivo Renivohitra. Hisy ny fananganana trano vaovao na birao ho an’ny Boriboritany fahadimy izay atao eny Analamahitsy na Androhibe. Hisy kosa tetik’asa roa hipetraka haingana eny anivon’ny Boriboritany izay fiaraha-miasa amin’ny SAMVA. Hiverina amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra koa ny vola hanaovana ny jiro ka ho soloina avokoa ny takamoa na atao “Panneau solaire” mba ho mazava Antananarivo. Anisany nivoitra ireo raha tonga nitsidika ny mpiasa sy nijery ny zava-misy teny amin’ny biraon’ny Boriboritany fahadimy Ambatomainty ny Ben’ny tanàna an’Antananarivo Renivohitra Naina Andriantsitohaina ny alarobia 06 janoary 2021.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 janvier 2021 10:01
    • Zakaria

    Fifidianana Loholona : Anio ny vokatra ofisialy

    Hotanterahina anio etsy Ambohidahy ny lanonana ara-pitsarana hanambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny voka-pifidianana ofisialy ny fifidianana Loholona notanterahina ny 11 desambra 2021. 12 amin’ny 18 ireo Loholona nofidiana mivantana. Ny filoham-pirenena no manendry ny 6, izay mandrafitra ny iray ampahatelon’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona amin’ny endriny vaovao. 12 465 ireo mpifidy vaventy voasoratra tao anaty lisi-pifidianana. 11 642 no nandray anjara tamin’ny fifidianana araka ny tatitra vonjimaika nataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI ny alarobia 23 desambra 2020. Tao amin’ny Distrikan’i Miandrivazo sy i Morombe no voalaza fa nisy fandikan-dalàna tamin’ny fifidianana, ka nisarihan’ny CENI ny sain’ny Fitsarana mahefa. Manana 15 andro aorian’ny famoahan’ny HCC ny vokatra ofisialy ny filoham-pirenena hanendrena ireo senatera 6.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 janvier 2021 17:45
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Fitakian'ny mpianatry ny ENS : Nisy naratra, tao ny voasambotra

    Nanao hetsika fitakiana, sady nilanja sorabaventy ny mpianatry ny ENS (École Normale Supérieure) Ampefiloha Antananarivo androany maraina. Nivoaka ny faritry sekoly izy ireo, nandoro kodiarana teo amin'ny arabe niteraka fanelingelenana ny fifamoivoizana tamin'ny faritra iny. Ny fandraisana ho mpampianatra ireo vita fiofanana ao no votoatin'ny fitakiana. Efa maro anefa ny fifampiraharahana nifanaovan'ireto mpianatra ireto tamin'ny fitondram-panjakana fa tsy nisy vokanyMisy ireo mpianatra efa firy taona nahavita fianarana tsy voray nefa misy, hoy ireto mpianatra manao fitakiana ireto, ny fehezan-dalàna mamaritra fa tokony ampidirina miasa avy hatrany izay vita fiofanana, nefa hatreto tsy misy tanteraka izany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 janvier 2021 13:45
    • Christophe Bélier
    • Photos Fb

    Madagascar : Des débuts d’année, des scandales

    Madagascar est habitué à démarrer une nouvelle année avec un gros scandale ces derniers temps. Le début de 2020 était marqué par les controverses générées par l’histoire de paniers garnis dont l’issue était le remplacement de la ministre de l’Education nationale de l’époque. L’affaire était ainsi étouffée sans pour autant que la suite ait donné lieu à un dénouement heureux.La Covid-19 a complexifié encore davantage plus la situation quand l’épisode de « bonbons », ayant mis en jeu des milliards d’ariary, a éclaté.L’on en savait tous l’aboutissement. La nouvelle année 2021 a débuté, elle aussi, avec un scandale d’envergure internationale appelé « trafic d’or » s’élevant à plus de 16 milliards d’ariary.
    Lire la suite ...
Page 5 sur 151