Politique

    • mercredi, 20 janvier 2021 10:48
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Marc Ravalomanana : Natoloran’ireo Loholona mpanao fanadihadiana ny dika mitovy ny tatitra nataon’izy ireo

    Tonga teny amin’ny trano fonenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, teny Faravohitra ny talata 19 janaory 2021, ireo Loholona filohan'ny vaomiera mpanao fanadihadiana, nanatitra ny tatitra mikasika ireo fanadihadiana nataony mialohan'ny fiafaran'ny fe-potoana fiasan’izy ireo anivon’ny Antenimierandoholona. Mikasika ny raharaha « doublons » tamin'ny fifidianana, ny fampidirana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, ny raharaha tany amin'ny fonjan'i Farafangana izay nahafatesana voafonja, ary ny fitantanana ny vola natokana hiadiana amin'ny Covid-19 ny fanadihadiana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 janvier 2021 17:44
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Antenimierandoholona : Telo ny Filoha lefitra ka iray avy amin’ireo mpanohitra

    Niroso tamin’ny fandaniana ny fitsipika anatiny ireo Loholon’i Madagasikara nandritra ny fivoriana voalohany androany. Nisy ny fanovàna natao, ka toy izao no nandrafetan’izy ireo ny Birao maharitra sy ny vaomiera eo anivon’ny Antenimierandoholona : - Mikasika ny birao maharitra:Telo no Filoha lefitry ny Antenimierandoholona ka ireto avy izany:1. Filoha lefitra misolo tena ireo faritany avy any avaratra2. Filoha lefitra misolo tena ireo faritany avy any atsimo3. Filoha lefitra avy amin’ ireo mpanohitra
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 janvier 2021 12:35
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Antenimierandoholona : Voafidy ho Filoha ny Loholona Razafimahefa Herimanana

    Taorian'ny Latsa-bato miafina natao dia lany ho Filohan'ny Antenimierandoholona ny Loholona Razafimahefa Herimanana. Tsy nisy mpifaninana taminy fa kandida tokana narotsaky ny IRMAR izy. Loholona voafidy tato amin'ny faritany Antananarivo Razafimahefa Herimanana. Sekretera jeneraly tao amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena ny andraikitra farany notanany. Teo amin'ny lafiny politika dia mpikambana tao amin'ny antoko Grad Iloafo izy. Tao amin'ny vovonana ESCOPOL tamin'ny tetezamita. Mpikambana tao amin'ny CST (Conseil supérieur de la transition). Lasa mpikambana TGV. Izy no Filoha faha10 hitondra ity andrimpanjakana mpanao lalàna ity, handimby toerana an'i Rakotovao Rivo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 janvier 2021 10:23
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Antenimierandoholona : Fanaovam-beloma ireo Loholon’i Madagasikara

    Nanao veloma ireo Loholon’i Madagasikara izay notarihin’Atoa Rivo Rakotovao ny alatsinainy 18 janoary 2021 ny mpiasa eo anivon’ny Antenimierandoholona. Nitarika izany Ramatoa Robline, Sekretera Jeneralin’ny Antenimierandoholona. Nisaotra sy nankasitraka ireo Loholon’i Madagasikara ireo tamin’ny zavatra nataon’izy ireo, ity farany. Noho ny fijoroan’izy ireo hoy izy no nahafahana niaro ny Andrimpanjakana. Ny Filohan’ny Antenimierandoholona tetsy ankilany dia nankasitraka ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny mpiasa sy ny Loholon’i Madagasikara ary nanentana ny mpiasa rehetra izy mba hanao ny tsaratsara kokoa amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo Loholon’i Madagasikara vaovao. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 janvier 2021 08:08
    • Zakaria
    • Tahirin-tsary nindramina

    19 Janoary : Roa taona androany ny fianianana nataon’ny filoha Andry Rajoelina

    19 janoary 2019-19 janoary 2021, mitsingerina androany ny faharoa taona nanaovan’i Andry Rajoelina fianianana ampahibemaso teo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina – Antananarivo, nandraisany ny fahefana feno maha Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara azy : “ Eto anatrehan’Andriamanitra Andriananahary sy ny Firenena ary ny Vahoaka, mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamarinana ny andraikitra lehibe maha-Filohan’ny Firenena Malagasy ahy. Mianiana aho fa hampiasa ny fahefana natolotra ahy ary hanokana ny heriko rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon’olombelona. Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-panjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an’ny Vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ”.    
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 janvier 2021 18:57
    • Zakaria

    Antenimierandoholona : Voatendry ireo Loholona enina avy amin’ny filohan’ny Repoblika

    Nivoaka io tolakandro io ny didim-panjakana Laharana faha 2021-060 manendry ny mpikambana notendren’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara eo anivon’ny Antenimierandoholona : - Imbiki Herilaza- Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana- Andrianandrasana Hajaniaina Tahina- Ndremanjary Jean André- Tsiebo Mahaleo Richard Victor- Ramanambitana Richard Barjohn  
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 janvier 2021 12:31
    • Christophe Bélier
    • Photos Net

    Sécheresse dans le Sud : Des appels à l’aide d’urgence

    Le Système des Nations Unies envisage de lancer un appel à l’aide d’urgence à l’endroit des partenaires et organisations philanthropiques en faveur du Grand Sud de Madagascar. La cérémonie prévue à cette fin se déroulera lundi à partir de 10 heures au Carlton Anosy, Antananarivo. Selon le Programme Alimentaire Mondial (PAM), un financement de 35 millions de dollars est requis de façon urgente pour faire éviter à Madagascar une crise humanitaire affectant 1,35 million d’habitants du Sud. La situation dans les zones arides exposées à une sécheresse prolongée dans les régions Anôsy, Androy et Atsimo Andrefana en particulier est plus qu’alarmante.Une grande disette s’annonce à l’horizon.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 janvier 2021 11:43
    • Super User

    Volamena 73.5kg : "Mitenena izay mahalala, raha tsy izany mangina mandrakizay"

    Mahafinaritra ahy mandritra ny fanamasinana Mariazy ataon'ny mopera foana io fanontaniana io amin'ny mpanatrika tonga eo. "Izay manana ambara amin'ny mety anakanana ny fanambadian'izy roa ireto, dia mitenena izao, raha tsy izany dia mangina mandrakizay". Toy izany koa ianareo amin'ny douane ao, ianareo ao amin'ny PAF miambina ny sisin-tany, "mitenena raha manan-kambara" anakanana izao passoire ao izao, raha tsy izany mangina mandrakizay, ary aza be taraina aty ambadika aty avy eo, fa efa vita ny mariazy amin'ny fahantrana sy kolikoly tsy azo atao inona intsony fa zakao mandra-maty eo, fa tsy be takoritsoka eo intsony. Tsy misoronaPatrick  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 janvier 2021 09:53
    • Zakaria

    Raharaha volamena 73,5kg : Manara-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny

    Nanao fanambarana ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Malagasy ho fampahafantarana ny fifampiresahana eo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny governemanta afrikana tatsimo mikasika ny raharaha fanondranana volamena antsokosoko tra-tehaka tatsy Afrika Atsimo. Raha tsiahivina dia natolotry ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy an-tanana ny Masoivoho afrikana tatsimo miasa sy monina eto Madagasikara, ny 10 janoary 2021 lasa teo, ireo antontan-taratasy fangatahana fampiharana ny fifandraisana iraisam-pirenena hamerenana eto Madagasikara ireo volamena naondrana antsokosoko, sy ireo olona miisa telo voasaringotr’ity raharaha ity. Nampitain’ny Masoivoho tamin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahinin’ny Firenena Afrika Atsimo (Departemantan’ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fiaraha-miasa) izany fangatahana izany. Ity farany kosa no nanolotra ireo antontan-taratasy ny tompon’andraikitra ara-pitsarana mahefa any an-toerana. Eo andalam-pandinihina ny fangatahan’ny Fanjakana malagasy izy ireo ankehitriny.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 janvier 2021 13:04
    • Zakaria

    Ankazobe : Rakotoarisoa Rasoava Rija Jean no depiote vaovao

    Namoaka ny didy (Arrêt n°02-HCC/AR) ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny 12 janoary 2021 mamaritra ny fahabangan-toerana sy manolo ny depiote Ankazobe taorian’ny nahafatesan’ny tompon-toerana, Ralalason Dera Harinjafimino. Araka io didy io dia Rakotoarisoa Rasoava Rija Jean no handray ny toeran’ny depiote Ankazobe eo anivon’ny Antenimieram-pirenana. Mpisolo toerana avy amin’ny lisitra IRMAR tao amin’ny fari-pifidianana Ankazobe ity farany. Nodimandry ny 1 janoary 2021 tao amin’ny hopitaly CHU Anosiala, Kaominina Anosiala, Distrika Ambohidratrimo, Ralalason Dera Harinjafimino.  
    Lire la suite ...
Page 4 sur 151