Politique

    • mercredi, 27 janvier 2021 08:19
    • Zakaria

    Faritra Betsiboka : Mbola tsy manana Governora efa 16 volana aty aoriana

    Tamin'ny 25 septambra 2019 no voatendry ireo andiany voalohany tamin'ny Governoram-paritra niisa 11, niandry ny 12 febroary 2020 indray ny andiany faharoa niisa 2 tamin'ireo Faritra 22, nitohy tsikelikely teny indray ny 4 marsa 2020 nenindra 1 hafa, ary ny 1 hafa manaraka ny 05 aogositra 2020, ary efa tany amin'ny 11 novambra vao nanendry 3 hafa, izay sambany vao nisy vehivavy 2 tamin'ireo telo voatendry. Ny Faritra Betsiboka sisa tavela tsy manana Governora voatendry efa 16 volana aty aoriana.Ny olona atokisana ve no tsy misy, sa ny zanaky ny Faritra tsy manana olona manam-pahaizana sy manana traik'efa amin'izany, sa ny Faritra Betsiboka no adino ka tsy hisy fandrosoana, hoy ireo zanaky ny Faritra. Hatreto moa ilay filazana hisian'ny Faritra vaovao hameno ny 22 efa misy ankehitriny mbola tsy nisy tohiny haha 23 isa ny Faritra.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 27 janvier 2021 08:08
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Mahazoarivo : Namory maika ny “OMC-National” ny Praiminisitra

    Nampiantso fivorian’ireo miandraikitra ny fandriampahalemana manerana ny Nosy (Organisme Mixte de Conception - niveau national) sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta voakasik’izany ny Praiminisitra Ntsay Christian ny talata 26 janoary 2021, teny amin'ny Lapan'i Mahazoarivo. Notsiahiviny fa ankehitriny dia efa voatsangana ny birao hitantana ny Antenimierandoholona ary tontosa ny fifamindran-toerana teo amin’ny filohan’izany andrim-panjakana izany : “taratry ny demokrasia ary taratry ny maha-firenena tandalàna antsika izany”, hoy izy, ary nantitranteriny ny tokony hisian’ny fitoniana hatrany eto amin’ny firenena, ka nomarihiny fa manana adidy sy andraikitra ny rehetra, mba hiainan’ny vahoaka Malagasy ao anatin’izany fitoniana izany, ka anjaran’ny “OMC national” no mandray andraikitra amin’ny fampandriana ny fahalemana raha sanatria misy tranga fihantsiana miseho na endrika fanakorontanana hafa izay mety hanohintohina ny fiandrianam-pirenena. Nodinihina nandritra ny fivoriana ny lafim-piainan’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao ka nojerena manokana ny mikasika ny rano sy ny jiro : nambaran’ny Praiminisitra fa manaraka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika, ny amin’ny tsy tokony hisian’ny fiakaran’ireo, ny “OMC”.
    Lire la suite ...
    • mardi, 26 janvier 2021 15:41
    • Tigre

    Vaomiera mpanamarina ny fitantanam-bolan'ny fampielezan-kevitra : Roa taona mbola tsy nisy tatitra

    Ao amin'ny And-87 amin'ny lalam-pifidianana 2018-008 dia najoro ny vaomiera hanao ny fanaraha-maso sy ny fanambaràna ampahibemaso ny vola lanin'ny kandida nandritra ny fifidianana. Izany dia atao manomboka ny fetra 3 volana aorian'ny filazana ny vokatra ofisialy ny tsy maintsy hametrahan'ireo kandida tsirairay ny tatitry ny vola niditra sy nivoaka. Mazava ny lalam-pifidianana fa ny vola avy amin'ny mpikambana, ny antoko politika, ny olon-tsotra, ireo orinasa malagasy tsy miankina amin'ny fanjakana ihany no azo ampiasaina hamatsiana ny fampielezan-kevitra. Tsy maintsy misy rosia avokoa izany fanomezana izany. Voarara ny fampiasam-bola avy any ivelany. Efa dila ny roa taona izao nahavitan'ny fifidianana ho Filoham-pirenena, mbola tsy nisy hatreto izay tatitra izay. Ireto avy ny mpikambana ao anatin'izany rafi-panjakana mpanara-maso izany, araka ny didim-panjakana laharana 2018-903 ny 1aogositra 2018 :
    Lire la suite ...
    • mardi, 26 janvier 2021 11:09
    • Zakaria
    • Tahirin-tsary nindramina

    “Lundi noir” : Feno roambinifolo taona androany

    26 janoary 2009 - 26 janvier 2021, feno roambinifolo taona androany ny “Lundi noir”.    
    Lire la suite ...
    • vendredi, 22 janvier 2021 21:00
    • Zakaria

    Ministeran’ny Fitsarana : Mahabe resaka ny fanendrena tamin’ny « Note de service » ny Sekretera jeneraly mpisolo toerana

    Namoaka « Note de service » ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana, minisitry ny fitsarana Andriamahefarivo Johnny Richard ny 20 janoary 2021 manendry Sekretera jeneraly mpisolo toerana. Ny Général de division Rasolofo Lumène no notendrena ho amin’izany andraikitra izany, taorian’ny nanendren’ny filohan’ny Repoblika ho Senatera an’i Imbiki Herilaza, Sekretera jeneraly tompon-toerana. Efa nofoanana nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 20 janoary 2021 teo, rahateo ny didim-panjakana nanendrena an’ity farany tamin’io toerana io. Betsaka ny tohina tamin'io « Note de service » io. Re koa aza izao fa manambana ny hanao "Journée d'indignation" ireo Mpitsara amin'ny fitsarana manerana ny Nosy.Teknika be ny asa aman’andraikitry ny Sekretera jeneraly satria tsy maintsy mahafantatra amin’ny antsipirihiny ny pitsopitson'ny ministera sahaniny sy ireo mpiasa rehetra izy. Azo antoka fa tsy voafehin'io jeneraly io izany satria sady raha ny fikaroham-baovao dia tsy nivoaka avy ao amin'ny Sekolim-pirenena fanofanana ho mpitsara sy ho mpirakidraharaha na ENMG Tsaralalana izy, no tsy mpitsara, na koa mpisolovava, fa Mpanolontsaina teknika mpikambana tao amin’ny kabinetran’ny minisitra izy izao notendrena ho Sekretera jeneraly mpisolo toerana izao.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 22 janvier 2021 20:54
    • Zakaria
    • Photo MAE

    Diplomatie : Stanislav Anvarovich Akhmedov, Ambassadeur de Russie et Doyen du Corps diplomatique quitte Madagascar

    Le Ministre des Affaires étrangères, Dr. Tehindrazanarivelo Djacoba A.S. Oliva a présidé, ce 21 janvier 2021, une cérémonie d’adieu en l’honneur de Stanislav Anvarovich Akhmedov, Ambassadeur de la Fédération de Russie à Madagascar. Arrivé au terme de sa mission à Madagascar, l’Ambassadeur de Russie a été élevé au rang de « Commandeur de l’Ordre National malagasy », en reconnaissance de ses efforts pour le raffermissement des liens d’amitié et de la coopération entre les deux pays. Stanislav Anvarovich Akhmedov a également assuré le rôle symbolique de Doyen du Corps diplomatique depuis 2016.    
    Lire la suite ...
    • vendredi, 22 janvier 2021 20:22
    • Zakaria
    • Sary Antenimierandoholona

    Antenimierandoholona : Voafifidy ireo mpikambana mandrafitra ny birao maharitra

    Tontosa androany zoma 22 janoary 2021 ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Maharitra eto anivon’ny Antenimierandoholona. Voafidy ho Filoha Lefitra ho an’ny - Faritany Avaratra ny Loholon’i Madagasikara IMBIKI Herilaza ; - Filoha lefitra ho an’ny faritany Atsimo ny Loholon’i Madagasikara Rabemananjara Jean Paul Nicolas ; - Kestiora : Loholon’i Madagasikara Fernand Eddie Serge- Mpampakateny Jeneraly : Loholon’i Madagasikara Rasolondratsimba Raymond.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 20 janvier 2021 18:08
    • Tigre
    • Sary nindramina

    Etats-Unis : Hanao fianianana anio i Joe Biden

    Anio alarobia 20 janoary amin'ny 12ora atoandro, ora any an-toerana (08ora alina aty Madagasikara), no hanao fianianana ny filoha amerikanina vaovao Joe Biden, andimby an'i Donald Trump. Miaramila 25 000 no misahana ny fandriam-pahalemana, satria maro ireo mpomba ny filoha teo aloha Donald Trump no nampiseho fihetsika mahery, mitam-piadiana amin'izao fifindran'ny fahefana izao. Donald Trump moa dia andray fiaramanidina force One farany, fotoana fohy alohan'io fianianana io, ka hiazo an'i Floride, fa tsy hanatrika izany lanonana izany izy. Joseph Robinette Biden Jr.afohezina amin'ny hoe Joe Biden no anarany, teraka ny 20 novambra 1942 (78 taona mahery) tao Scraton Pennsylvanie izy. Senatera federaly ho an'i Delaware izy ny taona 1973-2009, ary voafidy ho filoha lefitra amerikanina izy ny taona 2009-2017, niaraka tamin'ny Filoha Barack Obama, ary izy voafidy ho filoha'i Etats-Unis izao. Katolika ny lehilahy, ary izy no Katolika voalohany lany filoha lefitra, ary Katolika faharoa lany ho filoha taorian'i John Fitzgerald Kennedy tamin'ny taona 1961. Mpikambana ao anatin'ny antoko demokraty i Joe Biden.Joe Biden no filoha zokiny indrindra niditra ny Trano fotsy misy ny filoham-pirenena amerikanina.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 20 janvier 2021 10:48
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Marc Ravalomanana : Natoloran’ireo Loholona mpanao fanadihadiana ny dika mitovy ny tatitra nataon’izy ireo

    Tonga teny amin’ny trano fonenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, teny Faravohitra ny talata 19 janaory 2021, ireo Loholona filohan'ny vaomiera mpanao fanadihadiana, nanatitra ny tatitra mikasika ireo fanadihadiana nataony mialohan'ny fiafaran'ny fe-potoana fiasan’izy ireo anivon’ny Antenimierandoholona. Mikasika ny raharaha « doublons » tamin'ny fifidianana, ny fampidirana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, ny raharaha tany amin'ny fonjan'i Farafangana izay nahafatesana voafonja, ary ny fitantanana ny vola natokana hiadiana amin'ny Covid-19 ny fanadihadiana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 janvier 2021 17:44
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Antenimierandoholona : Telo ny Filoha lefitra ka iray avy amin’ireo mpanohitra

    Niroso tamin’ny fandaniana ny fitsipika anatiny ireo Loholon’i Madagasikara nandritra ny fivoriana voalohany androany. Nisy ny fanovàna natao, ka toy izao no nandrafetan’izy ireo ny Birao maharitra sy ny vaomiera eo anivon’ny Antenimierandoholona : - Mikasika ny birao maharitra:Telo no Filoha lefitry ny Antenimierandoholona ka ireto avy izany:1. Filoha lefitra misolo tena ireo faritany avy any avaratra2. Filoha lefitra misolo tena ireo faritany avy any atsimo3. Filoha lefitra avy amin’ ireo mpanohitra
    Lire la suite ...
Page 3 sur 150