Politique

    • lundi, 08 février 2021 07:24
    • Super User
    • Sary nindramina

    Raharaha 07 febroary 2009 : Tsy mety mikatona ny fery 12 taona aty aoriana

    Misy ny ratra eto amin'ny firenena, na atao araka ny tokony ho izy ny fitsarana ny raharaha dia hita izay tompon'antoka sy ny andraikitry ny tsirairay tamin'iny faty olona iny, miaraka tamin'ireny lundi noir rehetra ireny, na avalona ho tantara izy iny, dia samy mizaka ny fahavoazana nisy, dia samy mampionon-tena, fa raha 12 taona lasa aty aoriana no lasa fifampiantsiana, sy fampitsikafonana sy hirahira ny lasa hatrany no ataon'ny andaniny sy ankilany dia tsy hiroso mihitsy isika. Ny Tsangambato dia natao ahatsiarovana ny maty ary anakatonana ny fery, fa tsy natao hanamafisana ny ratra. Reraka amin'ny ady tsy vita ny Malagasy, izay ianareo roa tonta dia tompon'andarikitra amin'izay nifanandrify anareo avy tamin'ireny ady sy fifandràtrana teto ireny. Ampy izay 12 taona izay, mila fitoniana ary miroso amin'ny fandrosoana ny Malagasy. Tsy misorona Patrick  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 07 février 2021 18:06
    • Zakaria

    L’intérêt Profond d’un espace de concertation….face à la prévention de toute crise ou conflits

    Historiquement, les valeurs ancestrales malagasy (Soatoavina) dans son ensemble prônent et privilégient les échanges et la culture de dialogue dans tout aspect de la vie sociale, économique et même spirituel. Néanmoins, chaque ethnie, localité, régions, ou autres subdivisions sociogéographiques ont toutefois des spécificités propres (fombandrazana, fombantany) que des visiteurs ou migrants devraient absolument s’efforcer de connaitre et de respecter au risque de créer de vives tensions sociales au détriment du mieux vivre ensemble. Civisme et Etat de Droit en décadence, Un vivre ensemble menacé…Au final, la pandémie Covid-19 a encore une fois frappé fort et laissé des séquelles sur la vie au quotidien de nos concitoyens, pour ne parler que de l’insouciance vis-à-vis du respect des gestes barrière et de l’hygiène en général (gestion des ordures ménagères, saleté, non-respect des biens publics …), une société en proie au laisser aller…,au désordre et au désespoir.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 07 février 2021 15:46
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Ambohitsorohitra : Tsiaro ireo lavo ny 7 febroary 2009

    7 febroary 2009-7 febroary 2021, 12 taona lasa izay no nisy diabe niazo an'Ambohitsorohitra, nandritra ny hetsi-bahoaka notarihin'ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina. Nisy ny tifitra variraraka ka nahafatesana sy naharatrana olona maro tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Tsy avela ho raraka an-tany ny ran'ireo lavo tamin'iny fotoana iny, hoy i Andry Rajoelina androany teo Ambohitsorohitra, nandritra ny fahatsiarovana ireo lavo tamin'iny 7 febroary 2009 iny. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 février 2021 11:04
    • Tigre
    • Sary nomena

    Fiarahamiasa amerikanina : Amatsy vola tetikasa vaovao maharitra 05 taona hanatsarana ny fitantanana ny volam-bahoaka

    Tetikasa vaovao maharitra dimy taona no ho vatsian'ny governemanta amerikana vola hanatsarana ny fitantanana ny volam-bahoaka eto Madagasikara. Nambaran’ ny Ambasadaoro amerikana Michael P. Pelletier sy ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony eto Madagasikara, Rajaona Andriamanankiandrianina, ny fisian’ny tetikasa vaovao vatsian'ny governemanta amerikana vola mitentina 4 tapitrisa dolara, izay hanamafisana ny fahafaha-mahefan’ny Fitsarana momba ny Kaonty sy hanatsarana ny fitantanana ny volam-bahoaka. Ny Fitsarana momba ny Kaonty moa dia sampandraharaha ambony eto Madagasikara, miandraikitra ny fanaraha-maso ny fandaniam-bolam-panjakana rehetra, sy ny fanaovana tombana politika ho an'ny Antenimieram-pirenena. Nanambara ny Ambasadaoro Pelletier fa “I Etazonia sy Madagasikara dia toy ny mpirahalahy mianala amin’izao fotoana itadiavantsika ny fandrosoana ho an’i Madagasikara izao ka hananganantsika andrim-panjakana mahomby, matotra, sy mampiaty....
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 février 2021 10:14
    • Tigre
    • Sary nomena

    Ambasadaoro Amerikana : Nitsidika Ara-pomba Fifanajana ny Filohan’ny Antenimieran-doholona

    Nitsidika ara-pomba fanajana ny Filohan’ny Antenimeran-doholona Herimanana Razafimahefa ny Ambasadaoro Michael Pelletier hiarahaba azy noho ny fahalaniany teo amin’io toerana io, sy hanatintra fa “Toy ny Mpirahalahy Mianala isika [Etazonia sy Madagasikara] amin’ny fanamafisana ny demokrasia, fitantanana ary tamberin’andraikitra eto Madagasikara.” Nilaza ny Ambasadaoro Pelletier fa “mino ny maha-zava-dehibe ny fifandraisan’ny andrim-panjakana toy ny Antenimieran-doholona sy ny vahoaka malagasy izahay. Izany indrindra no nahatonga anay hiresaka momba ireo tetikasa fanohanana an’i Madagasikara." Nankahery an’Atoa Razafimahefa izy amin’ny fitantanany io andrim-panjakana io, izay manana andraikitra manolo-tsaina ny governemanta manoloana ireo fanamby misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy, ary miantoka ny hisian’ny tamberin’andraikitra amin'ny fanaraha-maso ny asa ataon'ny governemanta sy ny fanaovana tombana ny politikam-pirenena.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 03 février 2021 17:33
    • Super User

    Fahefana : Omeo ny Faritra ny fitantanana ny fampandrosoana sy ny fananana ao aminy

    Matetika dia iniana disoana hatrany ny resaka momba ny fampandrosoana ny faritra ity, ao aza ny mamadika azy hoe adi-poko sy fampiadiana ny samy Malagasy. Ohatra iray mitohaka amin'ny tenda ity zavatra mitranga eny ambany tanàna, araka ny anarana hilazan'ny sasany azy.Raha raisintsika ohatra Ambodin'Isotry, izay ao avokoa ireo mpivarotra lehibe momba ny pièce automobile, ny kojakoja fanamboarana trano, ireo grossiste maro. Mandoa hetra avy hatrany any amin'ny foibe izy ireny, zara raha misy vola miditra amin'ny fokontany, nefa ny toerana dia maloto, voretra, anjakan'ny tsy fandriam-pahalemana, tsy manana asa ny ankamaroan'ny mponina, tsy misy rano madio, ny trano zara raha azo hipetrahana. Nefa raha nomena ny Faritra, Ambodin'Isotry izy eto, fa tsy hoe any amin'ny sisin-dranomasina, dia olona manana ny fahaizana sy ny traikefa no mitantana ny fokontany sy ny vola ary ny harena rehetra aterak'ireo magazay lehibe rehetra ireo, dia tokony mbola toy izao ve io fokontany sy faritra io?
    Lire la suite ...
    • lundi, 01 février 2021 17:18
    • Zakaria

    Antenimieram-pirenena : Mampatsiahy ny fitsipika anaty ny filohany

    Antenimieram-pirenena : Mampatsiahy ny fitsipika anaty ny filohany (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 29 janvier 2021 22:35
    • Tigre

    PM à Maroantsetry

    PM accompagné du ministre de la défense nationale, ministre de l'intérieur, ministre de la population à Maroantsetry 28 janvier 2021. (Voir Suite Photo)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 29 janvier 2021 09:51
    • Tigre

    Maroantsetra : Nitsidika kaominina maromaro ny Praiminisitra, nampanantena ny route de la Concorde

    Tonga teto Maroantsetra omaly alakamisy 28 janoary ny Praiminisitra Ntsay Christian, niaraka tamin'ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny minisitry ny atitany, ary ny minisitry ny mponina. Nandeha ny fiaramanidina TOA 5R-AMR izy tamin'izany, ary nitsidika ireo Kaominina maromaro ivelan'ny tampon-tanànan'i Maroantsetra. Nihaona tamin'ireo mpandraharaha ihany koa ny Praiminisitra, ka anisan'ny nampanantenainy tamin'izany ny anamboarana ny route de la concorde mampitohy an'i Toamasina, Mananara, Maroantsetra, Antalaha.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 27 janvier 2021 08:46
    • Tigre
    • Sary nindramina

    Etats-Unis : Nanao fianianana ireo Loholona 100 hitsara an'i Donald Trump

    Nanao fianianana teo anivon'ny Antenimierandoholona ireo Loholona 100 hitsara ny raharaha anenjehana ny filohan'ny Etats-Unis teo aloha Donald Trump, tamin'ny famporisihina hitroatra, izay niteraka fanimban-javatra sy faty olona tao amin'ny Lapan'ny Kongresy amerikanina, tamin'ny andro nanamarinana ny vokam-pifidianana ho filoham-pirenena amerikanina. Niezaka anakana izany fitsarana izany ireo Repoblikanina, iray antoko amin'i Donald Trump, satria arak'izy ireo dia tsy manana fahefana hitsara olona efa tsy Filoham-pirenena intsony ny Loholona, ary mifanohitra amin'ny Lalapanorenana amerikanina izany. Hanomboka ny 9 febroary izao ity fitsarana ny filoha teo aloha ity eo anivon'ny Loholona amerikanina. Nisedra tsy fahasalamana tampoka moa omaly ny filoha hitarika ity fitsarana ity, ka nahiditra hopitaly aingana, izy moa no zoky olona indrindra amin'ny Loholona, izay voatendrin'ny lalàna mitarika izany fitsarana izany.  
    Lire la suite ...
Page 2 sur 150