Filtrer les éléments par date : mardi, 04 mai 2021

Nilazalaza ireo tsara ho fantatra mikasika ny vaksiny nafaran'ny fitondram-panjakana malagasy amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka i Dr Randriatsarafara Fidiniaina, Tale Jeneralin'ny Fisorohana ara-pahasalamana (DGMP) eo anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka.

Ny vaksiny Covishield na Astrazenca novokarina tany Inde no ho avy amin’ny Zoma 7 may 2021. Nahazo ny fankatoavan’ny ANAMEM (Académie Nationale de Médecine de Madagasar) ny hampiasana azy io.

250 000 fatra ny ho avy. Atsindrona, in-droa miantoana. Mpiasan’ny ministeran’ny fahasalamana efa voahofana no manao azy.

Mahomby sy azo antoka io vaksiny io, hoy hatrany i Dr Randriatsarafara Fidiniaina.

Publié dans Tselatra

Nahazo fankatoavana avy amin'ny CAF ny Kianja Barea Mahamasina sy ny Kianja Barikadimy Toamasina, ka afaka mandray ny lalao mandritra ny andro voalohany sy faharoa amin'ny fifanintsanana fiadiana ny ho tompondaka manerantany Qatar 2022.

Madagasikara dia handray ny lalao izay ifaninanantsika amin'i Bénin ny volana Jona ho avy izao.

 

 

Publié dans Sport

Mitaraina ireo dokotera miasa amin’ny CSB2 any ambanivolo, fa telo volana tsy nandray valin-kasasarana nefa mafy dia mafy ny asa, ary efa nanaovana fihanianana ka tsy maintsy atao, hoy izy ireo, mba hanavotana ny mpiarabelona.

Publié dans A la Une

4 mai : Journée internationale des pompiers.

 

Publié dans Fil info

4 mai : Journée Mondiale de l'asthme.

 

Publié dans Fil info

Hiverina an-tsekoly ny mpianatra. Ireo kilasim-panadinana CEPE, BEPC ary BACC amin’ireo Faritra enina mihidy, ny kilasy rehetra ho an’ny faritra tsy mihidy.

Hanomboka ny alarobia 5 aprily 2021 ny fiverenana an-tsekoly hoy ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle, notronin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Fitaleavana Nasionaly misahana ireo sekoly tsy miankina, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataony tao Anosy ny alatsinainy 03 May 2021.

Hisy naoty hivoaka, ary ho alefa any amin’ireo sekoly miankina na tsia amin’ny fanjakana manerana ny faritra 22 mahakasika ny fidiran’ny mpianatra amin’ny alarobia 05 May 2021, ary hisy ny lamina ho apetraka manoloana ny valanaretina.

Hafindra eny amin’ny EPP Analamahitsy ireo ankizy kilasim-panadinana ao amin’ny EPP-CEG Soamandrakizay, izay andraisana mararin’ny Covid-19.

Nivoitra tamin’izany valandresaka fa tsy misy ny fiovana amin’ny daty hanatanterahana ireo fanadinam-panjakana hatreto (CEPE, BEPC, Baccalauréat) ho amin’ity taom-pianarana ity.

 

Publié dans Tselatra

Comme prévu, 2000 bouteilles d’oxygène sont arrivées à l’Aéroport d’Ivato ce lundi 03 mai 2021. Le Président de la République Andry Rajoelina a assisté à la cérémonie de réception officielle de ces nouveaux matériels.

Une initiative visant à renforcer les équipements médicaux mis à la disposition des hôpitaux et des centres de traitement de la Covid-19. « Nous devons mettre tout en œuvre pour lutter efficacement contre cette pandémie et sauver la vie de nos compatriotes », a déclaré le Chef de l’État lors de cette occasion.

A l’instar des concentrateurs d’oxygène, ces bouteilles d’oxygène seront aussi acheminées immédiatement vers les régions les plus touchées par la pandémie, en l'occurrence dans les régions Vakinankaratra, Haute Matsiatra, Anôsy et SAVA.

Publié dans Sociale

Tonga nanatitra fehezam-bonikazo teny amin'ny tsangambaton'ny holafitry ny mpanao gazety tetsy anakakely ny teo anivon'ny holafitry ny mpanao gazety (OJM) sy ireo mpanao gazety hafa ary ny Crimad ny alatsinainy 03 mai 2021 ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena hoan'ny asa fanaovan-gazety.

Nambaran'ny Filohan'ny holafitra Gérard Rakotonirina fa tsy mbola misy fahalalahan'ny mpanao gazety izany eto Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra