Filtrer les éléments par date : vendredi, 09 avril 2021
vendredi, 09 avril 2021 20:08

Zaho aloha tsy tafiditra anaty fanisana

Pilo kely : Zaho aloha tsy tafiditra anaty fanisana, firy amiko ny mitsabo tena amin'izao

Azako antoka fa diso ireo fanisana rehetra avoaka ireo, mila manova tetik'ady ny mpitondra fa mety efa mihanaka io aretina io fa miandry tsy fanjariana kely amin'ny vatana fotsiny dia mamely.

Ahibohy ireo marefo fa tena en danger, maro ny tsy mahatakatra ny saran'ny fitsaboana raha sanatria ka mihombo.

Tafandria mandry e
Patrick

Publié dans Pilo kely

Nomen’ny Filankevitry ny Minisitra, notanterahina ny alarobia 7 aprily 2021 alalana ny fananganana «Task Forces» handrindra sy handamina ny fanatanterahana ny tetikasa fanajariana ny lemak’i Bas Mangoky mirefy 60 000ha iarahana amin’ny orinasa Elite Agro LLC.

Hatao hampitomboana ny vokatra ara-tsakafo vokarina eto Madagasikara ity tetikasa ity mba hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ao anatin’ny fotoana fohy, araka ny fanazavana.

Manana ny fahaiza-manao manokana io orinasa arabo io, ka izy no hampita izany sy hampiroborobo izany eto, ary ny vokatra vokarin’izy ireo dia hamidy amin’ny vidiny mirary eto amin’ny tsena anatiny avokoa ny 70% ary ny 30% kosa dia omen’izy ireo ny fanjakana malagasy maimaimpoana, hoy ny tati-baovao.

Ministera sy tompon’andraikitra maro no ifandrimbona ao anatin’izany « Task Forces » izany, ka ahitana ny ministeran’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono, ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, ny ministeran’ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana, ny ministeran’ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetrandro, ny ministeran’ny indostria, ny varotra ary ny asa-tanana, ny orinasa SPM, ireo olom-boafidy any amin’ny faritr’i Menabe, ireo tompon’andraikitry ny faritra any Menabe izay voakasiky ny tetikasa.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 09 avril 2021 15:46

Angletera : Nodimandry ny Printsy Philip

Philip, duc d’Edimbourg, nodimandry androany zoma 09 aprily 2021 teo amin'ny faha 99 taonany, vady andefimandrin'ny Mpanjakavavy Elisabeth II, 94 taona.

 

Publié dans Tselatra

Hilela-maina aza atao koa mainka fa misy tantely ny molotra, araka ny fiteny.

Midangana izaitsizy ny saran-dalana any amin’ireo faritra dimy izay mikatona noho ny fepetra ara-pahasalamana.

Misy hatrany ireo mahita lalana ambanin’ny tany, araka ny fiteny mahazatra, na dia milaza ho hentitra amin’ny fanaraha-maso aza ny fitondram-panjakana.

Manodidina ny 50 000 Ariary mihoatra avokoa ny saran-dalana any amin’ny faritra tsy mihidy mihazo ny faritra mihidy mifanila aminy.

Ny alahady andron’ny Paska taorian’ny nanambaran’ny filoha Rajoelina Andry ny fepetra fotsiny, ohatra, dia niakatra ho 50 000 Ariary avy hatrany tampoka teo ny saran-dalana Antananarivo-Ambatondrazaka, raha 20 000 Ariary ny mahazatra.

Publié dans Editorial

Araka ny tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly 07 aprily 2021 dia hisy ireo fiara manokana ahitana miaramila sy mpitsabo hitety ireo faritra ahitana marary betsaka, ka izy ireo no hizara fanafody sy hijery ifotony ireo marary sy ireo mitondra ny tsimokaretina, na ahiana ho mitondra ny tsimokaretina manerana an’ Antananarivo sy ny manodidina.

Mitohy hatrany etsy ankilany ny fanentanana ny tsirairay hanaraka ireo lamina napetraka sy ireo fepetra noraisina hisorohana ny fiparitahan'ny valanaretina.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 09 avril 2021 14:19

09 avril : Journée mondiale de la licorne

09 avril : Journée mondiale de la licorne

 

Publié dans Fil info