Pilo kely : Miteny ny rindrina eny Ambohidahy
Atao rahampitso 08 aprily 2021 ny fihanianan'ireo sivy mianadahy mpikambana vaovao ao amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, hiasa mandritra ny 7 taona.
Aorian'izay dia hiroso amin'ny fivoriana voalohany hisafidianan'izy ireo izay ho filoha.
Ingahy RF no heno hatreto fa tsara toerana, na dia 5 vavy, 4 lahy aza ireo mpikambana.
Tafandria mandry e.
Patrick
Diplomatie : Andreev Andrey Vladimirovich est le nouvel Ambassadeur de la Fédération de Russie
Le nouvel Ambassadeur de la Fédération de Russie à Madagascar, Andreev Andrey Vladimirovich, a présenté ses Lettres de Créance auprès du Président de la République Andry Rajoelina, ce 7 avril 2021 au Palais d'État d'Iavoloha.
L'entrevue entre le nouvel Ambassadeur et le Président de la République s'est portée sur l'état actuel ainsi que les perspectives et évolution de la relation bilatérale entre les deux pays.
La Russie souhaite ainsi consolider les relations de coopération avec Madagascar, notamment dans les domaines de l'énergie, la santé et l'humanitaire, mais également dans le domaine commercial et économique.
"Je suis convaincu du potentiel de développement des relations entre Madagascar et la Russie, et je souhaite œuvrer pour le renforcement de cette coopération" a déclaré le nouvel Ambassadeur Andreev Andrey Vladimirovich.
(Voir Suite Photo)
EMMO/NAT : Fampiharana ny hamehana ara-pahasalamana
Nanao fanambarana ny teo anivon'ny EmmoNat androany 07 aprily 2021 tetsy amin'ny Toby Jeneraly Ratsimandrava Richard, mahakasika ny fampiharana ny hamehana ara-pahasalamana izay mihatra ankehitriny eto amin'ny tany sy ny firenena.
- Voalaza tamin'izany fa anisan'ny mikatona ny Faritra Analamanga. Nambara mazava anefa fa ny olombelona no tena tsy mahazo mivezivezy fa ny entana kosa dia afaka mivezivezy araka ny tokony ho izy fa ny mpamily sy ny mpamily mpanampy ary ny tompon'entana no ao anaty fiara.
- Namafisiana araka izany ihany koa fa Faritra Analamanga no resahana eto fa tsy Antananarivo Renivohitra. Izany hoe any amin'ny toerana hifaranan'ny Faritra Analamanga no mipetraka ny barazy ; Ohatra raha ny lalam-pirenena faha 7 dia any Tsinjony no misy ny barazy, raha amin'ny RN4 kosa dia any Ramala ny barazy.
-Voalaza manarak'izany ny mahakasika ny fivezivezen'ny razana, ka nambara mazava fa raha matin'ny Covid-19 ny olona iray dia efa misy ny fepetra mifanaraka amin'izany ny andevenana iny olona iny eo an-toerana ihany, ary ny isan'ny olona manatrika ny fandevenana aza dia efa voafaritra avokoa, tsy mihoatra ny 10.
CTC-19 Ivato : Miantso vonjy ireo marary
SOS.
Velon-taraina ireo marary ao amin'ny CTC-19 Ivato manoloana ny zavatra iainan'izy ireo tamin'ity tapakandro marainan'ny alarobia 7aprily ity.
CTC-19 Alarobia : Efa nandray marary maneho "forme modérée"
Nisokatra ary efa nandray marary nanomboka omaly 06 aprily 2021 tamin'ny 07 ora sy 28 minitra hariva.
Ireo mararin'ny Covid-19 maneho "forme modérée", izany hoe ireo maneho fahasemporana ary ilana hampiasaina "concentrateur d'oxygène" no raisina an-tanana eny an-toerana.
Araka ny fandaminana napetraka dia eny amin'ny CSB II no handraisana ireo marary maneho "forme simple", ary eny anivon'ny Hôpitaly lehibe kosa ireo maneho tranga misy fahasarotana na "Forme grave".
(Jereo Sary Tohiny)
EMMO-NAT : Hanambara fepetra mikasika ny fihanaky ny Covid-19
Hanambara ireo fepetra mifanandrify aminy mikasika ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ry zareo ao amin’ny fitandroana ny filaminana anio alarobia 7 aprily.
Ao amin’ny Salle d’honneur ao amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefan'Ambohijanahary, Antananarivo, no hanaovana izany amin’ny 11 ora antoandro.
Hifandrimbonan’ny Tafika Malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena ny raharaha.
Izy telo tonta ireo mitambatra no mandrafitra ny antsoina hoe EMMO-NAT.
Ny lehiben’ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena dia ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa no mpitarika ny EMMO-NAT, araka ny lalàna manankery.
Balita Raharisoa
Barazy Parc Analamanga io maraina io
7 avril : Journée Internationale de réflexion sur le génocide de 1994 au Rwanda
7 avril : Journée Internationale de réflexion sur le génocide de 1994 au Rwanda.
7 avril : Journée Mondiale de la santé
7 avril : Journée Mondiale de la santé