Filtrer les éléments par date : mardi, 06 avril 2021

Pilo kely : Ary angaha tsy ny mpanohitra indray no atao vakisiny voalohany

Ireo mpanohana ny fitondrana indray no hita miazakazaka manao vakisiny iarovana amin'ny Covid-19 mialoha, misy mitsaitsaika manao vakisiny any ivelany, ary ny vahoaka Malagasy mba oviana ny azy ?

Tafandria mandry e
Patrick

Publié dans Pilo kely

Miisa 165 ireo olona vaovao voatily fa mitondra ny tsimok'aretina coronavirus ny 05 Aprily 2021 tamin'ny fitiliana niisa 528 natao, izay mitsinjara ho :

Analamanga 118
Atsinanana 5
DIANA 22
Alaotra Mangoro 2
Haute Matsiatra 1
Boeny 2
SAVA 2
Atsimo Andrefana 4
Analanjirofo 6
Androy 3

Publié dans Vaovao

Mikatona ny fitateram-bahoaka amin'ny RN5 manomboka ny 08 aprily, fa ireo fiara mpitatitra entana ihany no afaka mivezivezy mampitohy ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo ary olona 3, hatramin'ny mpamily, ihany no azony entina.

Tsy anisan’ireo faritra nambaran’ny fanjakana fa mihidy Analanjifo, saingy tafiditra amin’ny ady tsy hiparitahan’ny valanaretina Covid-19 io fepetra io, izay manankery mandritry ny 13 andro, araka ny filazana nataon’ny Sekretera jeneralin’ny fileovana ny 5 aprily 2021.

 

Publié dans Tselatra

Nolazoin’ny aretina herinandro vitsy izay i Andreas Claude, filoha tale jeneralin’ny orinasa Soavoanio ao Sambava. Tao Sambava izy no tratry ny tsy fahasalamana, avy eo nakarina maika tamin’ny fiaramanidina manokana niazo an’Antananarivo nanohy ny fitsaboana tamina klinika tsy miankina.

Tsy tana anefa ny ainy androany 6 aprily 2021.

74 taona i Andreas Claude izao nodimandry izao.
Efa minisi-panjakana nisahana ny fambolena sy ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivolo izy tamin’ny governemanta Guy Willy Razanamasy.

Teo amin’ny sehatry ny fandraharahana no tena nahafantarana azy. Ny taona 1972 izy no nanangana ny orinasa Soavoanio ao Sambava. Manana hotely Las Palmas ao an-toerana ihany koa izy.

Maro ny andraikitra efa notanany fahavelony. Efa filohan’ny vondron’ny mpandraharaha tao SAVA izy. Efa filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Sambava. Efa filohan’ny Ofisim-paritry ny fizahantany SAVA. Mambra ny Alliance Française Sambava…

Publié dans Tselatra

Hotanterahina ny alakamisy 8 aprily 2021 izao ny lanonana ara-pitsarana hanaovan’ireo mpikambana vaovao sivy mianadahy ao amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana na HCC, fihanianana.

Solontenan’ny filohan’ny Repoblika ny telo amin’izy ireo, nofidin’ny solombavambahoaka ho solontenan’ny Antenimieram-pirenena ny roa, solontenan’ny Antenimierandoholona ny roa, ary solontenan’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara ny roa.

 

Publié dans Politique

Mikorontana ny mponin'Ambodin'Isotry, Antetezana afovoany sy ny manodidina amin'ny fitsinjarana ny "Vary Mora".

Miantso ny tompon'andraikitra ny mponina ety an-toerana mba hanara-maso ireo mpizara izany.

Raha "ticket" miisa 100 no nampanantenaina dia zara raha 60 no azon'izy ireo, izay tsy fantatra hoe omena an'iza.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Na ho an'ny marary, na ho an'ny orinasa mampiasa ireo mpiasa ahiana voan'ny aretina Covid-19, dia mametraka olana ny fahelan'ny valin'ny fitiliana, ankoatran'ny vola izay mivoaka ao anatin'izany.

Ireo mpandeha mivoaka any ivelany, na ireo manainga amin'ny fiara-manidina anatiny na ivelany, dia takiana ny 72ora valin'ny fitiliana izay andovanm-bola hatrany amin'ny 100 000ar, ary averina indray izany fiiliana izany, ary miverina mandoa vola raha nofoanana na nahemotra ny sidina.

Ny an'ireo ananana ahiahy fa marary, na ireo olona manodidina azy, na ireo cas contact kosa, dia mampitebiteby ny saina ny fiandrasana ny valin'ny fitiliana izay maharitra hatrany amin'ny 2 herinandro be izao, misy aza moa no tsy mahazo hafatra miafina amin'ny sms akory.

Velom-panontaniana izany ireo mpampiasa, satria ilay mpiasa ahiana ho marary tsy azo ampidirina miasa, ireo manodidina azy koa ahiana hitondra aretina aty am-piasana, ny karaman'ny mpiasa anefa tsy maintsy aloa. Maro ireo tsy manana congé intsony, dia atao ahoana, na ny asa tsy mandeha, ny valin'ny fitiliana efa ho iray volana tsy mipoitra, ny aretina efa mihombo raha sanatria ka tena marary marina.

Tsy lazaina intsony ny hoe, betsaka koa no faux négatif, na ireo voalaza fa tsy mitondra valaneritna, natao matetika ny fitiliana, nefa dia marary ary mamindra, ka rehefa nojerena ny radio ny taovam-pisefoana dia efa voa, na ihany koa natao ny fitiliana ny rà, dia hita fa mandry ny rà, izay matetika tsy azo an-tsaina io fitiliana rà mandry io.

Mila ampitombopina izany ny toeram-pitiliana sy ny fanafainganana ny vokatry ny fitiliana, fa na ho an'ny ahiana marary, na ireo manodidina azy, na ho an'ny orinasa dia fatiantoka lehibe ny fisalasalana amin'ny fampijanonana mpiasa hiasa satria ahiana ny fahasalamany.

 

 

Publié dans Sociale

Nodimandry teo amn’ny faha-81 taonany i Berthin Andriamiharinosy. Anisan'ireo mpisehatra sy mpankafy fanatanjahantena i Berthin Andriamiharinosy, kintan’ny taranja handaball.

Zokiolona indrindra tamin’ny delegasiona Malagasy nandray anjara tamin’ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-9 natao tao La Réunion tamin’ny 2015 i Berthin Andriamiharinosy ; 75 taona izy tamin’izay.

Namoaka asa-soratra sy tahirin-tsary maromaro mitantara ny fanatanjahantena teto Madagasikara izy, anisan'izany ny boky "Football... quand tu nous tiens", nosoratany niaraka tamin'i Marius Rasoanaivo.

 

Publié dans Sport

Mpiasa amin’ny sambo Belle Isle an’ny orinasa Sapmer, mpanjono thon aty amin’ny ranomasina indianina sy Seychelles iny ilay tantsambo Malagasy.

Voan’ny Covid-19 izy, ary nisy tantsambo iray hafa, teratany indoneziana voa toa azy ihany koa.

Nampidirina hopitaly tao Mahé izy roalahy ireo ny herinandro lasa iny, saingy tsy tana fa namoy ny ainy avokoa.

 

Publié dans Tselatra

Tanora 5 miandahy no natelin’ny ranomasina tao Ambila Lemaitso ny andron’ny Alatsinainin’ny Paka 2021. Avotra ny iray ka tafakatra an-tanety. Tovovavy roa, 16 sy 17 taona ary zazalahy 20 taona no nindaosin`ny fahafatesana, ary tovolahy 25 iray no mbola karohina.

Andiana mpanao vakansy mivahiny any Manambato izy ireo, no tonga mitsangatsangana tany Ambila Lemaitso dia izao tra-doza izao.

Nalefa Kanota any Manambato namonjy ny fianakavinany ireo faty efa hita ; mbola manohy ny fikarohana ilay tovolahy iray natelin’ny ranomasina kosa ny Fokonolona ao Ambila Lemaitso.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2