Filtrer les éléments par date : dimanche, 04 avril 2021

Toy izao manaraka izao ny antontan'isa maneho ny fivoaran'ny Covid-19 manerana an'i Madagasikara ny 03 aprily 2021

Isan'ny nanaovana fitiliana: 974
Tranga vaovao: 310

Analamanga 177
Atsinanana 10
Diana 19
Alaotra Mangoro 3
SAVA 13
Atsimo Andrefana 15
Menabe 3
Amoron'i Mania 4
Bongolava 6
Analanjirofo 17
Anosy 12
Ihorombe 4
Itasy 2
Sofia 25

Publié dans Tselatra

Nidina tany Mahajanga ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny 03 aprily 2021, nisolo tena ny fitondram-panjakana, nijery ifotony ny zava-misy sy ny fiatrehana ny fifehezana ny valanaretina Covid-19.

Nihaona tamin’ireo mpitantana sy solontenam-panjakana miasa eo anivon’ny Faritra Boeny ny delegasiona notarihiny, ary nandray ny tatitra momba ny fivoaran’ny valanaretina sy ny fitantanana amin’ny ankapobeny ny fandraisana an-tanana sy fitsaboana an’ireo marary, ary ny fahasalamam-bahoaka.

Manoloana ny fihanaky ny Covid-19 dia nandray fanapahan-kevitra tamin’ny fampihatoana ny fivoahana sy ny fidirana ao amin’ny Faritra Boeny, mandritra ny fotoana voafetra, ny fitondram-panjakana, 12 andro lasa izay ; ary dia nisaotra ny vahoaka sy ny Faritra ny Praiminisitra noho ireo ezaka vita tamin’ny fanarahana ny fepetra maro isan-karazany napetraka.

Notsiahiviny fa « mbola mitohy ny ady ataontsika amin’ity valanaretina ity ».

Publié dans Vaovao

Mihatra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara ny « Fahamehana ara-pahasalamana » mandritra ny 15 andro noho ny antony ara-pahasalamana, noho ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainambahoaka, mba hampizotra ara-dalàna ny asan’ireo fahefam-panjakana, araka ny didim-panjakana laharana faha-2021–390 tamin’ny 03 aprily 2021 ary nambaran’ny filoham-pirenena ampahibemaso.

 

Publié dans Tselatra

Fepetra mihatra mandritra ny 15 andro manaraka, izay nambaran'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina nandritra ny lahateniny :

Fianarana : Mikatona mandritra ny 15 andro ireo sekoly rehetra sy ny anjerimanontolo.
Mikatona tanteraka ny faritra Analamanga, Atsinanana, SAVA.
Mbola mitohy hatrany ny fikatonan’ny faritra Boeny sy Nosy Be.

Mihatra ny "couvre feu" amin'ireo faritra vaotonona etsy ambony manomboka amin'ny Alatsinainy 05 aprily 2021. Tsy azo ivezivezena amin’ny 09ora alina ka hatramin'ny 4ora maraina manomboka amin'io daty io.

Misokatra andro aman'alina ny farmasia rehetra amin’ny Faritra Analamanga, Atsinanana, Boeny, SAVA, Nosy-Be.
Omena alalana ny farmasia hivarotra ireo fanafody voafaritra ao anaty « protocole de traitement ».

Publié dans Vaovao

Nisy nangalatra tao amin'ny Réserve Anjajavy ny 02 aprily 2021 tokony ho tamin'ny 3 ora maraina ny zana-tsokatra miisa 30.

Ireo ihany no zana-tsokatra avy amin'io karazany io misy eto Madagasikara, tafiditra amin’ny tetikasa ho amin'ny fampidirana indray eto Madagasikara ny "tortues géantes" (Aldabrachelys gigantea).

Vedety tefotefo iray no ahiana nitondra azy ireo nakany Mahajanga.

Hanolotra valisoa lehibe ho an'ireo olona izay manampy amin’ny ahitana ireo zana-tsokatra ireo ny Anjajavy Le Lodge.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Faisant suite à l'allocution du Président de la République de Madagascar en date du 3 avril 2021 sur la fermeture des frontières face à l'état d'urgence sanitaire sur le pays, la compagnie Tsaradia informe sa clientèle que les vols du dimanche 4 avril et du lundi 5 avril sont maintenus sans test PCR, suite à une dérogation émanant des autorités malagasy.

La compagnie suit de près l'évolution de la situation sanitaire et vous tiendra informé des nouvelles dispositions.
Tsaradia remercie sa clientèle pour sa compréhension.

 

Publié dans Fil info

Hitohy ny sidina hataon'ny kaompania anabakabaka Tsaradia manao zotra anatiny ny 4 sy 5 aprily 2021 araka ny fampahafantarana nataony ny mpanjifa.

Afaka miondrana avokoa ny mpandeha na tsy nanao fitiliana PCR aza, fa nahazo alalana manokana amin'izany ny kaompania.

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 04 avril 2021 14:28

Covid-19 : Antontan'isa ny 02 aprily 2021

Tranga vaovao 294 tamin'ireo 1204 nanaovana fitiliana.

Analamanga 174
Atsinanana 18
DIANA 22
Alaotra Mangoro 3
Haute Matsiatra 2
Boeny 8
Vakinankaratra 3
SAVA 19
Atsimo Andrefana 9
Menabe 1
Analanjirofo 12
Anosy 11
Ihorombe 5
Atsimo Atsinanana 2
Sofia 5

Publié dans Tselatra

4 avril : Journée internationale de la sensibilisation au problème des mines et de l'assistance à la lutte antimines.

 

Publié dans Fil info