Filtrer les éléments par date : samedi, 03 avril 2021
samedi, 03 avril 2021 23:37

Fepetra mihatra avy hatrany

Fepetra mihatra avy hatrany, manomboka ny 4 aprily, ary mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana

Mikatona 15andro ny fianarana, Oniversité rehetra

Mikatona tanteraka Analamanga, Atsinanana, SAVA, Boeny, Nosy-Be

Tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina na Couvre-feu manomboka amin'ny 9ora alina ka hatramin'ny 4ora maraina, amin'ireo faritra mihidy ireo, manomboka ny alatsinainy 05 aprily 2021

Manao garde avokoa ny pharmacie rehetra

Maimaimpoana ny fanafody sy ny fitsaboana Covid-19

Publié dans Tselatra

Nigadona ny tolak'andron'ny sabotsy 3 aprily 2021 ny fiaramanidina manokana nitondra ny Governoran'Analamanga.

Tratry ny tsy fahasalamana ny Governora sady Sekretera nasionalin’ny antoko TGV ny fiandohan’ny volana martsa lasa iny. Notsaboina tamina klinika tsy miankina iray teny Avaradrano izy.

Nisy fahasarotana ny aretiny, ka nalefa maika notsaboina tao amin’ny CHU Saint Pierre La Réunion nanomboka ny 12 martsa 2021, ary izao nody an-tanindrazana izao.

Salama tsara izy, na dia mbola tsy maintsy maka fialantsasatra ara-pahasalamana aza.

 

 

Publié dans Tselatra

Maty ny zoma alina 02 aprily 2021 tao amin'ny Hopitaly Befelatanana ny Tale Jeneralin'ny Trano fiantohana Ny Havana, Randriantiana Andriantsoa Olivier.

Hiainga eny amin'ny hopitaly ihany ny razana anio sabotsy 03 aprily amin'ny 1ora tolakandro, ary avy dia asitrika eny amin'ny Fasan'ny Mpiandry eny Betela Fiaferana.

 

Publié dans A la Une

Tonga eto Mahajanga hatry ny maraina teo ny praiminisitra Ntsay Christian. Mihaona amin’ireo mpitantana sy solontenam-panjakana ato amin’ny Faritra Boeny sy Mahajanga ny tenany.

Mamantatra ny tena zava-misy mikasika ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, sy ny fandraisana an-tanana ny marary ny lehiben’ny governemanta.

Ao amin’ny Résidence ny faritra eo amin’ny Bord de la mer no anatanterahana ny fihaonana.

Misy ny tatitra nataon’ny CRCO Boeny maneho ny fivoaran’ity valanaretina ity manerana ny Faritra.

Publié dans Vaovao

Namoy ny reny niteraka azy ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-84 taonany Rasoamampianina Perline Odette ny sabotsy maraina 03 aprily 2021.

Fijanonan'ny fo no voalaza ny antony nahafaty azy.

Eny Antsofinondry, Sabotsy Namehana, ny razana.

Tsy eto Madagasikara ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, tsy afaka niatrika ny fotoana farany teo anilan'ny reniny.

 

Publié dans Tselatra

Nodimandry io maraina sabotsy 03 aprily 2021, tetsy amin'ny hopitaly HJRA, ny Mpampanoa lalàna eo anivon'ny Fitsarana misahana manokana ny ady amin'ny Kolikoly (PAC) eto Antananarivo, Mamy Tantely RAKOTOMAHEFA.

 

Publié dans Tselatra

Namoaka naoty ny teo anivon'ny Kestora misahana ny sampandraharaha eo amin'ny Loholona Anosikely fa akatona avokoa ny Lapan'ny Antenimieran-doholona sy ireo toerana miankina aminy, manomboka ny 02-09 aprily 2021 noho ny fianaky ny valanaretina Covid-19.

Raha ny loharanom-baovao voaray dia maro ireo mpiasa no marary ary misy mihitsy aza ny namoy ny ainy.

 

Publié dans Tselatra

Mandiso ny vaovao sy resabe niely tamin’ny facebook milaza fa voasambotra Rakotomalala Edmond, mpitsabo nentim-paharazana, ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.

“Tsy marina io fisamborana io”, hoy ny loharanom-baovao. Misy be fialonana na mitady hitaky vola be tany ho any, hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Mikasika ilay “convocation” miendrika fandrahonana amin’ny Facebook navoakan’ny Fitaleavana misahana ny Farmasia, laboratoara, ary ny fitsaboana nentim-paharazana na "Direction des Pharmacie, des Laboratoires et Médecines Traditionnels", (DPLMT) eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, indray dia heno fa tsy nahalala ny fisian’io “convocation” io ny Minisitry ny Fahasalamana.

Re aza fa nahazo fanitsiana “rappel à l'ordre” ilay Direktera nanao fiantsoana satria manimba endrika ny Fanjakana.

Publié dans Tselatra