Filtrer les éléments par date : vendredi, 02 avril 2021

Nodimandry androany hariva teo amin'ny faha-68 taonany i Razafimamonjy Jean Baptiste na Jean Bà, mpiraki-tadidy momba ny tarika Mahaleo.

Vao ny 25 martsa 2021 izy no notoloran’ny fitondram-panjakana ny mari-boninahi-pirenena ambony indrindra, dia ny « Grand-Croix de 2ème Classe de l’Ordre National Malagasy », niaraka tamin'izy telo lahy mbola velona ao amin’ny Tarika Mahaleo, araky ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, avy amin’ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Ny antontan'isa ny 01 aprily 2021 :

- Isan'ny nanaovana fitiliana: 869
- Tranga vaovao: 272

Analamanga 130
Atsinanana 13
DIANA 20
Alaoatra Mangoro 29
Haute Matsiatra 3
Boeny 9
SAVA 11
Atsimo Andrefana 14
Menabe 1
Amoron’i Mania 1
Analanjirofo 20
Anosy 18
Atsimo Atsinanana 2
Sofia 1

Publié dans Tselatra

Ora vitsy taorian’ny niterahany an’ity zazalahikely ity ilay mpanakanto vavy, Rajaonarivony Tsizaraina Nathalie Hortense na Taa Tense no nodimandry ny alin’ny sabotsy hifohana ny alahady 28 martsa 2021.

Avotra soamantsara ilay zaza. Pruvot Messiaa Ashlan Milliards no natao anarany araka ny fampahafantarana nataon’i Gege Pruvot, rainy sady vady navelan’i Taa Tense, androany.

Manana zoky vavy ity zaza menavava ity, zary kamboty reny ankehitriny.

Natao ny alarobia 31 martsa 2021 ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’i Taa Tense tao Ampotaka, Fokontany Ankafobalo, Kaominina Tatamalaza, Faritra Amoron’i Mania.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

"Fanafody azo antoka no atolotra ny vahoaka fa sarobidy ny aina", koa raràna arak'izany ny fanaovana dokambarotra amin’ny endriny rehetra sy fivarotana fanafody tsy nahazoana alalana avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka.

Manamafy izany ny naoty laharana 140/MSAN/Ministre, tamin'ny 10 Aprily 2019, izay mandrara ny fanaovana dokambarotra mikasika ny fitsaboana, araka ny fanamafisana nataon’ny avy amin’ny Fitaleavana misahana ny Farmasia, laboratoara, ary ny fitsaboana nentim-paharazana ("Direction des Pharmacie, des Laboratoires et Médecines Traditionnels" DPLMT ) eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Publié dans Sociale
vendredi, 02 avril 2021 14:15

2 Aprily : Andron'ny Zandarimaria

Andro nandraisan'ny Kolonely Richard Ratsimandrava ny fibaikoana ny Zandarimaria Nasionaly ny 2 Aprily 1969.

Izy no Malagasy voalohany nitana io andraikitra io.

Tsy hisy ny fankalazana toy ny fatao isan-taona amin’ity 2 Aprily 2021 ity mba hisorohana ny fianaky ny valanaretina coronavirus.

 

 

Publié dans Politique

2 avril : Journée mondiale de sensibilisation à l'autisme.

 

Publié dans Fil info

2 avril : Journée internationale du livre pour enfants.

 

Publié dans Fil info
vendredi, 02 avril 2021 13:36

Hery Rasoamaromaka : Mbola atsy La Réunion

Mbola atsy La Réunion ny Governoran’ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka. Efa tsara kosa ny fahasalamany ary efa hody ato ho ato, araka ny loharanom-baovao.

Tratry ny tsy fahasalamana ny Governora sady Sekretera nasionalin’ny antoko TGV ny fiandohan’ny volana martsa lasa iny. Notsaboina tamina klinika tsy miankina iray teny Avaradrano izy.

Nisy fahasarotana ny aretiny, ka nalefa maika notsaboina tao amin’ny CHU Saint Pierre La Réunion nanomboka ny 12 martsa 2021. Fiaramanidina manokana an'ny kaompania GS Aviation (Groupe Sipromad) no nitondrana azy.

Efa tsara ny fahasalamany ankehitriny. Toa efa fanehoany izany fahasitranany izany ny nanovany ny “photo de profil” na ny sary famantarana azy amin’ny pejiny facebook, andro vitsy lasa izay.

Feno ny hopitaly atsy La Réunion, maro amin’ireo teratany eoropeana tratry ny tsy fahasalamana teto Madagasikara no mihazakazaka mitsabo tena ao an-toerana, indrindra ireo manana fahasarotana, raha ny tatitry ny gazety mpivoaka isan’andro Journal de l'île de La Réunion (Le JIR) tamin’ity zoma 2 aprily 2021 ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Ny alin’ny alatsinainy 22 martsa 2021 Rtoa Céline Ratsiraka, vadin’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka no nampidirina eny amin'ny hopitaly miaramila (HOMI) Soavinandriana Antananarivo arahi-maso ara-pahasalamana araka ny toromariky ny mpitsabo azy.

Mbola tsaboina eny an-toerana izy ankehitriny. Mifarimbona manao izay mety rehetra hitsaboana sy anarahana maso ny fahasalamany ireo mpitsabo sy manampahaizana manokana Malagasy ao amin’ny HOMI.

 

 

Publié dans Tselatra

Tratry ny tsy fahasalamana ny Jeneraly Rasolosoa Dolin ary tsaboina eny amin’ny CHU Anosiala ankehitriny.

Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy izy taloha, ary efa filohan’ny Conseil Supérieur de la Transition (CST) tamin’ny tetezamita.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2