Filtrer les éléments par date : jeudi, 01 avril 2021
jeudi, 01 avril 2021 13:49

No comment

No comment

Publié dans Fil info
jeudi, 01 avril 2021 10:17

Conférence sur le vaccin

Ce jeudi 1er avril 2021 à 14 heures (GMT), à 17 heures à Madagascar, Helen Trottier, professeur agrégé de l’École de santé publique de l’université de Montréal (Canada), et le Dr Patient Nkusi, médecin rwandais, donneront une conférence en webinar sur l’efficacité des vaccins.

Ils s’exprimeront s’il faut oui ou non se faire vacciner, quel est le meilleur vaccin, quelles garanties ils apportent et dévoiler ce que l’on ignore encore sur les vaccins.

Madagascar, à travers l’Académie nationale de médecine, a déjà donné sa position vis-à-vis de la campagne mondiale de vaccination contre la Covid-19.

Le gouvernement a aussi déjà donné son aval aux groupes désirant se faire vacciner sur le territoire national.
Mais l’on n’est pas encore bien fixé sur le vaccin à importer.

L’avis de ces deux experts pourrait aider à mieux choisir lequel des vaccins proposés par les différents pays serait conseillé pour un pays africain et de l’océan Indien.

Christophe Bélier

 

Publié dans Fil info

Nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, ny alarobia 31 martsa 2021, ny fandraisana didim-pitondrana hanamafisana ny ady amin’ny halatr’omby, ka hanarahana ireo omby miisa iray hetsy any amin’ny faritra Anosy- Androy-Atsimo Andrefana- Ihorombe, araka ny teknolojia vaovao miisa 2 izay efa miasa ankehitriny, ka hoentina hanoloana ny bokin’omby any aoriana.

Hiitatra manerana ny Nosy ny fampiasana azy io ao aoriana.

 

Publié dans Tselatra

Voatendry ho Sekretera Jeneraly Ramatoa Savatsarah Raby Gabrielle Ain’Harimanga.

 

Publié dans Tselatra

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hananganana “auditorium” lehibe afaka handray olona hatramin’ny 1500.

Hisy ny fanangonana ireo vakoka rehetra nanomboka tamin’ny fijoroan’ny RNM tany amin’ny 90 taona lasa ary ireo tahirin-tsary sy tahirim-peo rehetra hatrizay sy ny fivoaran’ny fitaovana ao anatin’ny haino aman-jerim-panjakana, ary hapetraka ao anatin’io Mozea ho an’ny haino aman-jery etsy Anosy io.

Hisy trano fandraisam-peo na “studio d’enregistrement” manaraka ny toetr’andro ihany koa ao anatin’io toerana vao harenina etsy Anosy io.

 

Publié dans Art et Culture

Nomen’ny Filankevitry ny Minisitra, ny alarobia 31 martsa 2021 alalana ny fanafainganana ny fotoana ahafahana manao ny tolo-bidy amin’ny fananganana « immeubles » miisa 20, ny fanaovana ny « réseau d’assainissement » ao Tanamasoandro, ny fanaovana ny lalana ao Tanamasoandro ary ny fandrindrana ny firafitry ny tanàna vaovao .

Nekena ihany koa ny fanatanterahana ny tsenam-barotra manokana amin’ny fanaovana ny fanadihadiana ara-tontolo iainana ao anatin’ny fotoana voafetra.

 

Publié dans Tselatra

Nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, ny alarobia 31 martsa 2021, ny fankatoavan’ny Filankevim-pitantanan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ny fanampiana amin’ny alalan’ny FEC, na ny Facilité Elargie de Crédit, mitentina 312,4 tapitrisa dolara.

Fandaharanasa vaovao mandritra ny 40 volana no nifanarahana, izay mifandrindra amin’ny politikam-panarenana entin’ny fanjakana, indrindra ny Planina Entina Manarina an’i Madagasikara na ny PEM, ary koa hanamafisana ny ady amin’ny valanaretina Covid-19, sy ireo fanatsarana ary fanamafisana ara-toe-karena rehetra entin’ny fitondram-panjakana ankehitriny.

 

Publié dans Economie

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 31 martsa ireo paika sy drafitra hanamafisana ny ady amin’ny fihanaky ny Covid-19. Ireto ny fepetra vaovao manomboka izao hanampy ireo efa mipetraka :

• Ny CSB no mandray ny « formes légères », ireo izay mahatsiaro ho mikohaka sy reraka ary tsy dia tomombana tsara ny fahasalamany ka mitondra ireo soritr’aretina.

Ireo CTC 19 kosa indray, dia mandray ireo « formes modérées », izany hoe : ireo manomboka mihasempotra ka heverin’ny mpitsabo fa afaka mbola ampiasana ireo “concentrateurs d’oxygène”.

Ireo hopitaly kosa no mandray ny « formes graves », izany hoe ireo efa tena sempotra be sy mila fanarahana manokana mihitsy ny toe-pahasalamany.

Raha Antananarivo manokana dia etsy Mahamasina, Village Voara, ary etsy Ivato (MBC ex CCO) no misy ireo Centre de Traitement du Covid-19 na CTC-19, ary miisa 28 ireo CSB afaka mandray ireo marary.

Ireo CHU hopitaly lehibe rehetra eto an-drenivohitra dia mandray ny mararin’ny Covid forms graves avokoa, ary efa nisy ireo services novahana ahafahana mandray ireo marary tena misy fahasarotana.

Publié dans Vaovao

Nodimandry ny alarobia 31 martsa 2021 i Monique tao amin'ny Tarika Ny Voanio. Izy no farany tavela tamin'izy mianadahy avy tao anatin'ny Tarika izao lasa izao.

 

Publié dans A la Une