Vita ve ny fifampitahana sary ?
Pilo kely : Vita ve ny fifampitahana sary ?
Rehefa vita ny fifampitahana sary, afaka miroso amin'ny tena fampandrosoana amin'izay ve, sa mbola anao tatitra indray koa ny ankilany hanome valin-kafatra?
Lazao izahay rehefa tapitra ny toraka kapoaka anisana iza no nampihitsana kapoaka be indrindra. Nivadika kermesy manko ty raha ty.
Tafandria mandry
Patrick
Sary contre sary izany sisa izy ity
Palais des Sports Mahamasina : Anio ilay Antsam-piderana ho an'ny firenena
Hotanterahina anio 06 Marsa 2021 ao amin’ny Palais des Sports Mahamasina ny Antsam-piderana ho an'ny firenena.
Tapakila maimaimpoana nalaina mialoha tao amin’ny tranom-bokim-pirenena sy tao amin’ny Supermusic Analakely ary teny amin’ny Viva Arena Alarobia Ivandry no ahafahana miditra ao an-toerana.
Araka ny toromarika dia fotsy ranoray ny loko hisalorana sy ho hita amin’izay olona ho avy ao.
Nisokatra tamin’ny 12 ora ny vavahady ary amin’ny 3 ora tolakandro no hanomboka ny Antsam-piderana.
(Jereo Sary Tohiny)
Politika : Tsy manana mpandinika raharaham-pirenena ny mpitondra ?
Raha mahita ity fomba hitantanan'ny fitondrana ankehitriny ny vali-bontana sy fandrirarina ny mpanohitra eto Antananarivo ity, dia mampanontany tena raha manana mpandinika raharaham-pirenena matotra ny fitondrana ankehitriny.
Hifaninanany amin'ingahy Marc Ravalomanana indray ny famoriam-bahoaka eto Antananarivo, efa tapitra anie ny fampielezan-kevitra e, ary ny filazana fa tsy mahavory vahoaka eto Antananarivo ny mpanohitra, na hoe sandaina vola ireo olona manaradia ny mpanohitra dia fahadisoan-kevitra goavana izany.
Ny vokam-pifidianana teto amin'ny faritanin'Antananarivo dia milaza mazava fa tsy nahazo ny antsasaky ny vato azon'ingahy Marc Ravalomanana ny kandida Andry Rajoelina. Teto Antananarivo 1 077 520 na 64.31% no vato azon'i Marc Ravalomanana, raha 597 924 na 35.69% no azon'i Andry Rajoelina.
Ary rehefa lany filoham-pirenena, sy nandalo ireo krizy Covid-19 sy krizy sosialy maro, dia azo antoka fa nihena ihany koa izay taham-pankasitrahana eto Antananarivo izay.
Covid-19 : Miakatra ny tahan’ireo mitondra ny valanaretina eto Madagasikara
Tsikaritra tato ho ato fa misy fiakarany ny tahan’ireo mitondra ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara, araka ny tati-baovao nataon’ny avy eo anivon’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka.
Paik’ady apetraka manoloana izany ny fizarana CVO, ka any amin’ireo faritra ahitana fiakaran’ny taha no hanombohana izany, anisany ny eto Analamanga.
Magro Tanjombato : Hanao tatitra ireo solombavam-bahoaka TIM
Nanome alalana ny hampiasana ny toerana ny Groupe Tiko, nanome alalana hanatanterahan’ireo solombavam-bahoaka TIM hanao tatitra amin’ny vahoaka ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny prefen’Antananarivo.
Anio sabotsy 6 marsa 2021 no hotanterahina eo amin’ny Magro Tanjombato ireo solombavam-bahoaka TIM Miara-Manonja.
Mitohy ny fidiran'ny olona ao anaty toerana mifefy, hihaino tatitra. Manaraka ny fepetra ara-pahasalamana ny fidirana ao amin’ny Magro Tanjombato, Distrika Antananarivo Atsimondrano, Faritra Analamanga.
(Jereo Sary Tohiny)
Hivoaka an-dranomasina afaka fotoana fohy ao Mahanoro ny sisan'ilay androa ratsy
Toetr’andro : Hivoaka an-dranomasina afaka fotoana fohy ao Mahanoro ny sisan'ilay androa ratsy.
Mbola mitoetra any amin'ny faritra Avatra sy Avaratra-andrefanan'ny Nosy ny Talio.
(Sary Satelita 06 marsa 2021 - 10h30)
RN1-bis Tsiroanimandidy - Maintirano
Antananarivo Renivohitra : Polisy monisipaly ary mpamonjy voina 150 naseho ambany faneva
Tontosa ny zoma 05 marsa ny fandraisana eo ambany fanevam-pirenena ireo Polisy monisipaly 100, ary mpamonjy voina 50, taorian’ny fiofanana narahin’izy ireo herinandro maromaro.
Hiasa ho an’ny mponina sy ny tanànan’Antananarivo izy ireo hanatevin-daharana sy hifanampy amin’ny fandaminana ary ny fampandrosoana ny tanàna.
Niara-nientana sy nifanome tanana tamin’ny fanomezana fanofanana ara-miaramila azy ireo ny Etat Major ny Tafika Malagasy, ny Tafika an-tanety, ny 3ème Régiment du Génie.