Filtrer les éléments par date : mardi, 09 février 2021
mardi, 09 février 2021 21:11

Mangalaha honon-draha

Pilo kely : Mangalaha honon-draha

Bonne nuit
Patrick

Publié dans Pilo kely

Atao inona moa harena ambony sy ambanin'ny tany, ary an-dranomasina io, izay lazaina mila kajiana ho lovain-jafy, raha ilay hiteraka ilay zafy mbola tsy misy aza matin'ny hanohanana sy fahantrana.

Any amin'ny firenena mandroso toa an'i Dubai, dia tsy misy fetra ny fidirana sy fivoahan'ny volamena, ny harena hafa, ny vola vahiny, mila manao fanambaràna fotsiny, dia na 10 taonina aza no entinao miditra ao dia miditra, tsy raisina toy ny trafiquant na olondratsy ireo mpandraharaha.

Ny fepetra dia manao fanambaràna, ka mandoa hetra 1-5% n'ilay volamena na harena nampidirina.

Ireo tany Afrikanina sasany koa dia nanao io fepetra io, ka tafavoaka ihany koa, ny volamena na vokatra ao aminy dia mahazo mivoaka malalaka, fa ny vola vahiny no mila miverina an-tanindrazana ny ampahany betsaka, ka dia maro ireo vola vahiny niditra, ka niakatra ny sandam-bolan'izy ireo, niditra koa ny hetra.

Publié dans Economie

Hofantatra anio 9 febroary ny tohin’ny fitoriana nataon’ny Parpia Gold, orinasa iray any Dubai, mitonona ho tompon’ny volamena 73,5kg tratra tao Johannesburg tamin’ny 31 desambra 2020.

Nitory amin’ny nanagiazana ny volamena sy ny nitazonana ireo “mpiasa” telo lahy nitondra azy ity orinasa izy.

 

Publié dans Tselatra

Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 2 noho 0 i Maroc nanoloana an’i Mali nandritra ny lalao famaranana ny CHAN 2020 tany Yaoundé, Cameroun ny alahady 7 febroary 2021.

Voatazon’i Maroc ny maha tompondakan’i Afrika azy amin’ny baolina kitra, ifaninanan’ireo ekipam-pirenena rafetin’ireo mpilalao tsy mpila ravinahitra fa milalao ao anatin’ny fireneny avy (CHAN).

CHAN andiany faha-6 ity notanterahina tany Cameroun ity. I Maroc no tompon’ny anaram-boninahitra farany tamin’ny CHAN 2018, ary firenena voalohany nahavita nitazona io anaram-boninahitra io tao anatin’izay andiany enina vita izay.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport
mardi, 09 février 2021 09:10

9 février

Journée mondiale pour un internet plus sur.

 

Publié dans Fil info

Roso hatrany ao anatin'ny fitokonana ny Sendika Paramedy manoloana ny ambarany fa “tsy rariny” mahazo azy ireo.

Na izany aza dia nanao fanambaràna tamin’ny tambazotra sosialy facebook Ralibera Jerisoa fa “vonona mandrakariva ary maniry ny fifampidinihina hatrany, saingy TSY ekena ny endrika famonoan'afo ara-politika milaza hoe ajanony aloha ny Grevy dia horaisina ianareo, toy ny nameriverena antsika tamin'ny 2009, 2010, 2012, fa aoka hanana hitsimpo ka rehefa misy ny fahavononana hidinika dia omeo anay ny toerana, ora ary daty fa ho avy ny birao nasionaly sy ny mpitarika”.

Anton’ny fitakian’ny sendikan’ny Paramedy ny fampiharana ny didim-pitondrana 5530/2017-MINSAN tamin'ny 10 marsa 2017 miaraka amin’ny IES nanomboka ny taona 2017, “indemnité de réquisition” 228 andro tamin’ny Covid-19, ary ny handraisana ho mpiasan’ny fahasalamana ireo mpilatsaka an-tsitrapo 10 000 niasa aman-taonany nanohana ireo rafitra ara-pahasalamana.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 09 février 2021 08:50

No comment

No comment

Publié dans Fil info

Ny Lalampanorenana malagasy dia milaza :

"Andininy 63. - Ny Governemanta dia ahitana ny Praiminisitra sy ny Minisitra.

Izy no manatanteraka ny politika ankapoben’ny Fanjakana.

Izy no tompon’andraikitra eo anoloan’ny Antenimierampirenena araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha-100 sy faha-103 etsy ambany.

Ny Governemanta no mampiasa ny Fitondran-draharaham-panjakana.

Andininy 65.- Ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta no :

1° mitarika ny politika ankapoben’ny Fanjakana ;

2° manana fahefana eo amin’ireo mambra ao amin’ny Governemanta izay izy no mitarika ny asa, sy tompon’andraikitra amin’ny fandrindrana ny asan’ny minisitera ary koa ny fanatanterahana ny fandaharanasam-pirenena rehetra momba ny fampandrosoana ;

Publié dans Editorial